• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Centre D'Urologie Lyon
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tsara fantatra mikasika ny aretin’ny « prostate »

22/02/2024 10:53 © Moov.Mg

Araho eto ary ny mikasika ireo tsy fahatomombanana sy ny aretina mety mahavoa ny prostate. Fantaro ny fomba fisehon’izy ireny sy ny fitsaboana azo atao.

Inona avy ireo olana na tsy fahatomombanana mety ahazo ny « prostate » ?

Ny « prostate » dia fihary iray mandrafitra ny taovam-pananahan’ny lehilahy. Eo anelanelan’ny « pubis » sy ny « rectum » no misy azy. Mandray anjara amin’ny famokarana ny tsiranoka seminaly, izay anisan’ny mandrafitra ny ankabeazan’ny tsirinaina ny « prostate ».
Isan’ireo olana matetika mpahazo ny « prostate » ny fikorontanan’ny « appareil urinaire » izay miandraikitra ny famokarana sy famoahana ny pipy. Rehefa manodidina ny 40 taona ny lehilay dia manomboka mitombo ny haben’ny « prostate » vokatry ny « hormones sexuelles » avy any amin’ny « testicules ». Toe-javatra voajanahary moa izany, fa kosa raha lasa manindry ny tatavy na ny fantsona mitondra ny pipy izany fitomboan’ny « prostate » izany dia mety hanentsina sy hankarary ny lalan’ny pipy.
Ankoatra ny fitombon’ny haben’ny « prostate » dia misy ihany koa ireo antony hafa mety mahatonga ny tsy fahatomombanan’ity farany. Anisan’izany ny fisian’ny bakteria mitarika ny aretina atao hoe « prostatite ». Eo ihany koa ny homamiadana mahazo ny « prostate ».

Ahoana ny fitrangan’ireo tsy fahatomombanan’ny « prostate » ?

Miankina betsaka amin’ny antony mahatonga ilay tsy fahatomombanan’ny « prostate » ny fomba fisehon’izany :

Ny fisehon’ny « prostatite »

Raha tratry ny « prostatite », izay aretin’ny prostate vokatry ny bakteria, ny lehilahy iray dia toy izao ny soritr’aretina mety mitranga :
-Manavy sady mangovitra ;
-Mamaivay rehefa mipipy ;
-Te hipipy matetika be ;
-Manaintaina eo amin’ny faritra ambanikibo manodidina ny tatavy, ny taovam-pananahana, ny « rectum » ;
-Tsy mahazo aina ;
-Manaintaina ny hozatra ;
-Marary ny « prostate » rehefa tsapain’ny mpitsabo ;

Ireo fisehon’ny olan’ny « prostate » vokatry ny fitomboany habe

Raha toa ka ny fitomboany habe ny mahatonga ny tsy fahatomombanan’ny « prostate » dia toy izao no mety ho fambaran’izany :
-Fahasahiranana mipipy ;
-Mihena ny fandehan’ny pipy ;
-Te hipipy matetika sy poritra lava ;
-Manaintaina rehefa mipipy.

Ireo soritr’aretina raha tratry ny homamiadana ny « prostate »

Raha toa ka tratry ny homamiadana ny « prostate » dia lasa :
-Misy rà anatin’ny pipy ;
-Reraka be mihintsy ilay marary ;
-Mihena be.

Ny fitsaboana ny aretin’ny « prostate »

Manelingelina ary mety mampijaly tokoa amin’ny andavanandro ireo soritr’aretin’ny tsy fahatomombanana na ny aretin’ny « prostate ». Ilaina indrindra izany ny manantona mpitsabo avy hatrany raha mahatsikaritra iray na maromaro amin’ireo fambara voalaza eo ambony.
Amin’ny ankapobeny moa dia azo tsaboina ny tsy fahatomombanana sy ny aretin’ny « prostate ». Raha ny homamiadan’ny « prostate » kosa dia miankina betsaka amin’ny fahasarotany no ahafana mitsabo izany na tsia.

Lire la suite

Articles Similaires