• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Toutes Recettes
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra hanaovana « crêpe salée » ao an-trano

21/02/2024 17:32 © Moov.Mg

Efa noresahana teto ny fomba fanaovana « crêpe sucrée ». Ny fikarakarana « crêpe salée » indray no andeha ho resahana. Ny « garnitures » na hoe ny sesika atao anatin’ilay « crêpe » moa izany no tena mampiavaka azy ankoatra ny tsirony masira. Araho eto ary isan’ireo fomba tsotra nefa matsiro hikarakarana izany.

Ireo zavatra ilaina raha anao « crêpe salée »

Ireo akora ampiasaina amin’ny fanaovana ny « pâte à crêpe salée »
-Lafarina 250g ;
-Ronono 0,5l (tapany) ;
-Atody 3 ;
-Menaka 1 sotro fihinanana ;
-Sira 1 tsongo.
Ireo akora ilaina amin’ny « garnitures »
-« Sauce Béchamel » ;
-« Jambon » izay fatra tiana ;
-« Champignon noir » ;
-Fromazy voakiky arak’izay fatra tiana.

Fomba fikarakarana ny « crêpe salée »

-Fomba fanaovana ny « pâte à crêpe salée »
Atao anaty « saladier » ny lafarina ary asiana lavaka eo afovoany. Araraka ao ny antsasaky ny ronono. Afangaro anatin’ilay ronono moramora ny lafarina.
Kapohana anaty « bol » ny atody rehetra ary arotsaka tsikelikely anatin’ilay lafarina sy ronono. Arotsaka manarak’izay ny menaka sy ny sira. Atao mifangaro tsara avokoa ireo akora rehetra.
Arotsaka ny ambin’ny ronono ary tohizana afangaro hatrany ny paty. Tokony ahazo fangaro malama, tsy marihitra be nefa tsy matsora be ihany koa. Avela hilona 30 minitra ary afaka endasina toy ny manao « crêpe » tsotra.
-Fampiasana ny « garnitures »
Manamboatra « sauce Béchamel ». Rehefa vita izay dia tetehana lavalava somary manify ny « jambon ». Alona anaty rano matimaty ny « champignon noir » ary rehefa malemy dia tetehana manify ihany koa. Miaraka arotsaka ao anatin’ny « Béchamel » vao mafana tsara avokoa ireo akora ireo miaraka amin’ny fromazy voakiky.
Alaina tsirairay ny « crêpe salée ». Asiana « garnitures » 2 na 3 sotro fihinanana eo amboniny ary ahorina lavalava ilay paty. Rehefa samy voasesika avokoa ireo « crêpes » rehetra dia alahatra anaty « moule à gratin » ary atsofoka anaty lafaoro. Andrahoina amin’ny hafanana 170°C mandritra ny 20 minitra dia vita ny « crêpe salée ». Aroso mafana !

Lire la suite

Articles Similaires