• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tratry ny « torticolis » na miolam-pandriana : ahoana no atao ?

13/02/2024 13:46 © Moov.Mg

Toe-javatra mateti-pitranga ny « torticolis » na ilay ataontsika hoe miolam-pandriana. Manelingelina ary mety manaintaina tokoa izy io. Inona no atao hoe « torticolis » ? Ahoana ny fomba fisehony ary ahoana ny fomba atao hampitoniana izany ?

Inona no atao hoe « torticolis » na miolam-pandriana ?

Ny « torticolis » na ny miolam-pandriana dia fihitsohan’ny hatoka arahana fanaintainana izay mahatonga ny loha tsy hahavita mitodika. Matetika dia tsy dia misy atahorana loatra ny miolam-pandriana ary afaka ho azy afaka andro vitsivitsy. Misy fotoana nefa dia mety marary mampijaly tokoa ny tratr’izany.
Mahazana dia ny fivokonan’ny hozatra ao amin’ny faritry ny hatoka vokatry ny « mauvaise posture » nandritra ny fipetrahana na fatoriana no mahatonga ny « torticolis ». Mety ho vokatry ny aretin’ny taolan-damosina mifandray amin’ny hatoka na ny soroka ihany koa anefa izany.

Ahoana ny fomba fisehon’ny « torticolis » ?

Rehefa miolam-pandriana ny olona iray dia :
-tsapany mihinjitra na mifandrirotra ny hozatra amin’ny hatony ;
-sahirana izy rehefa mitodika havia na havanana ny lohany ;
-mety ho tena manaintaina tokoa ilay hatoka ka tsy mahavita mitodika mihintsy ny lohany ;
-mety marary be eo amin’ny hatoka ka tsy afaka mitraka ny loha fa mitailana vao mahazo aina ;
-mety hahatsapa toy ny may na manindrontsindrona amin’ny sandry sy ny tanana.

Ahoana ny fomba atao ampitoniana ny miolam-pandriana ?

Araka ny voalaza teo aloha dia afaka ho azy ao anatin’ny andro vitsy matetika ny « torticolis » raha toa ka tsy vokatry ny aretina. Raha toa ka manelingelina na mampijaly ny fanaintainana aterak’izany dia azo atao ny mampitony izany amin’ny alalan’ny fametahana zavatra mafana eo amin’ny hatoka mba hampikoriana tsara ny rà sy hampalefaka ny hozatra mivokona. Ilaina ihany koa ny fampihetsehana moramora ny hatoka sy ny soroka mba ampitsotra miandalana ny hozatra.
Raha toa ka tsy afaka ao anatin’ny herinandro ny « torticolis » dia tsara raha manantona mpitsabo. Ity farany no manao ny fizahana ahafantarana ny antony mahatonga ilay miolam-pandriana. Izy ihany koa no manatanteraka ny fitsaboana mifanaraka amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires