• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Écrans De Paris
Image
Fahasalamana&Sakafo

Maimbo vava : fikafika natoraly hanesorana izany

26/01/2024 09:50 © Moov.Mg

Mahamenatra ary miteraka fanilikilian’ny hafa ny fofom-bava ratsy. Maro ireo antony mety mahatonga izany ary indraindray tsy mahafaka izany tanteraka ny fiborosiana nify. Ho resahana eto ary ny antony mety mahatonga ny olona maimbo vava sy ny fikafika natoraly hanesorana izany.

Ireo antony mety mahatonga ny olona iray ho maimbo vava

Isan’ny antony voalohany mahatonga ny olona ho maimbo vava ny fahasimban’ny nify. Raha izany no mitranga dia ny fanamboarana na ny fanesorana ilay nify simba no manala izany fofona ratsy amin’ny vava izany. Ankoatra izay dia misy anton-javatra hafa mitarika ny fofom-bava ratsy, anisan’izany ny :
-Tsy fiborosiana nify ara-dalàna isan’andro ;
-fisian’ny bakteria ratsy miteraka fofona ratsy ao am-bava ;
-fifohana sigara ;
-fisotroana toaka ;
-solonify tsy voadio tsara.

Ireo torohevitra natoraly hanesorana ny fofom-bava ratsy

Raha toa ka salama tsara daholo ny nify nefa maimbo vava dia azo atao tsara ny mampiasa ireto fikafika natoraly ireto hanesorana izany fofona ratsy izany.

Misotro ranona voasary makirana

Ny fisian’ny bakteria ratsy ao anaty vava matetika no isan’ireo antony mahatonga ny olona iray ho maimbo vava. Isan’ireo fomba iray mandaitra hiadiana amin’izany ny fisotroana ranona voasary makirana. Ity farany dia manampy betsaka amin’ny famonoana ireo bakteria ratsy ao am-bava ka manala ny fofona ratsy aterak’izany. Maka rano iray vera dia asiana ny ranona voasary makirana iray ao anatiny. Sotroina isan’andro mba hanatsara ny fofom-bava. Azo atao ihany koa ny mikaikitra ilay voasary makirana iny mihintsy ho an’ireo izay mahavita izany.

Mitsako persily (persil)

Anisan’ireo torohevitra mandaitra indrindra tsy maha maimbo vava ny fitsakoana persily isaky ny avy misakafo. Manankarena « chlorophylle » moa ny persily ka izay no mahatonga azy afaka miady amin’ny fofona ratsy ao am-bava. Marihana fa ity zava-maitso ity ihany koa dia mampihena ny famokarana « gaz » sy « toxines » avy amin’ireo taova fandevonan-kanina izay mety miteraka fofom-bava ratsy. Azo atao tsara ihany koa ny manisy persily manta amin’ireo karazana nahandro amin’ny andavanandro.

Mitsako jirofo (clou de girofle)

Ny jirofo dia « épice » iray manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fofom-bava. Sady « antiseptiques » izy io no « anesthésique » ka izay indrindra no mampandaitra azy amin’ny fiadiana amin’ny fofona ratsy ao am-bava. Tsotra ny fampiasana azy : mitsako jiro singany iray isan’andro mba hisorohana ny areti-nify sy hahamanitra ny fofom-bava.
Ankoatra ireo torohevitra ireo dia tsy adinoina ny miborosy nify tsara indroa isan’andro farafahakeliny. Ny iray amin’ireo torohevitra ireo ihany no hisafidianana.

Lire la suite

Articles Similaires