• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Académie Nationale De Cuisine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanaovana « poulet laqué » tsy mampiasa lafaoro

24/01/2024 14:31 © Moov.Mg

Maro isika no mankafy ireny sakafo « laqué » ireny nefa tsy manana lafaoro. Tsy tokony raisina ho sakana tsy ahafahana mikarakara nahandro atao « laqué » nefa izany satria azo atao tsara ny mahandro izany amin’ny vilany tsotra na amin’ny « wok ». Ny fomba fanaovana « poulet laqué » tsy mampiasa lafaoro ary no ‘ndeha atoro eto.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « poulet laqué » tsy mila lafaoro

-Akoho 1kg ;
-Tantely fahefan’ny kaopy ;
-« Sauce soja » tapaky ny kaopy ;
-Tongolo gasy hasiny 2 ;
-Sakamalaho voatoto 1 sotro fihinanana ;
-« Maïzena » 1 sotro fihinanana ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Menaka.

Fomba fikarakarana ny nahandro

Endasina anaty vilany na anaty « wok » ny akoho efa voatetika, atao « doré » tsara.
Afangaro anaty « bol » ny tongolo gasy voatoto, sakamalaho voakiky, tantely, « sauce soja », ny sira sy ny dipoavatra.
Araraka ao anatin’ilay akoho ireo fangaro ireo ary ahena ny afo. Saromana ny vilany na ny « wok » ary avela hiketrika eo mandritra ny 30 minitra eo ny nahandro. Haroharoina matetika mba hifangaro tsara sy hosorana atao rakotra matetika ilay fangaro na ilay saosy ny akoho.
Afangaro amin’ny rano ao anaty « bol » hafa ny « maïzena ». Aroharoana ho levona tsara tsy hisy vaingambaingana intsony sy mandrapahazo paty malama.
Arotsaka ao anatin’ny vilany misy ilay akoho ilay paty ary afangaro tsara mandraparihitra ilay saosy.
Rehefa hita fa masaka ny akoho ary marihitra somary madity ilay saosy dia esorina ambony afo amin’izay ny nahandro.
Afaka rarahana « graines de sésames » kely na kotomila notetehana manify mba hanaingoana sy hanomezana tsiro azy.

Lire la suite

Articles Similaires