• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © 360 Degrés Recettes
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana mofomamy na « gâteau » tsy mampiasa fandanjana

23/01/2024 15:34 © Moov.Mg

Anisan’ny fomba tsotra indrindra hanamboarana mofomamy na « gâteau » ity atoro manaraka ity. Miavaka kely ny fanaovana azy satria tsy mampiasa fandanjana amin’ireo akora ampiasaina fa afatra 12 sotro fihinana avokoa izy rehetra. Mora atao nefa matsiro tokoa ity mofomamy ity. Araho ary !

Ireo zavatra ilaina

-Lafarina 12 sotro fihinanana ;
-Siramamy 12 sotro fihinanana ;
-Menaka 12 sotro fihinanana ;
-Ronono masaka 12 sotro fihinanana ;
-Atody 3 ;
-« Levure chimique » 11g ;
-Tangozana lavanila 1.

Ny fomba fikarakarana ny mofomamy

Atao anaty « bol » lehibe na « saladier » ny atody 3 sy ny siramamy. Kapohana amin’ny « fouet » na amin’ny « batteuse » mandra-pahazo rihitra « mousseux » sy fotsy be.
Arotsaka ao anatin’ny fangaro ny menaka 12 sotro ary tohizana ny fikapohana azy. Arotsaka indray ny ronono masaka 12 sotro ary tsy hajanona ny fikapohana ny fangaro.
Alefa ao anatin’ny fangaro ny lafarina 12 sotro sy ny « levure chimique » ary tohizana foana ny fikapohana mandra-pahazo fangaro malama tsara tsy misy mitambaingana.
Didiana zaraina roa ny tangozana lavanila ary alaina amin’ny antsy ilay ao anatiny. Avy eo arotsaka ao anatin’ilay fangaro nokarakaraina teo. Somary afangaro moramora amin’ny « Maryse ».
Osorana dibera na menaka ny lasitra (moule) ary arotsaka ao ilay fangarao. Tsara raha somary jobo ny lasitra ampiasaina mba hampibontsina tsara ny mofomamy. Raha misy « papier sulfurisé » dia asiana izany ao anatin’ilay lasitra mba tsy hampiraikitra ny « gâteau ».
Afanaina mialoha amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro. Rehefa mafana dia atsofoka ao mandritra ny 35 minitra ny mofomamy. Somary tsindromina amin’ny lohan’antsy rehefa vita ny 35 minitra, ka raha tsy misy manaraka dia masaka izy izay. Raha toa ka mbola misy fangaro manaraka dia ampiana kely ny fotoana handrahoana azy anaty lafaoro. Endrasana hangatsiaka tsara vao esorina anaty « moule ».

Lire la suite

Articles Similaires