• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Astuces De Grand Mère
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fiarovana ny volo amin’ny ranomasina sy ny ranon’ny « piscine »

22/01/2024 16:25 © Moov.Mg

Rehefa vanim-potoana mafana toy izao dia maro amintsika ny mandeha milomano, na any amin’ireny « piscine » na any amin’ny ranomasina. Mahafinaritra ary mahasalama ny milomano fa dia manimba volo ihany koa raha toa ka ratsy karakara ity farany. Ireto ary misy torohevitra hiarovana ny volo tsy ho simban’ny ranomasina sy ny ranon’ny « piscine ».

Inona ny antony mahatonga ny volo mila arovana amin’ny ranomasina sy ny ranon’ny « piscine » ?

Maro tokoa isika no mitaraina fa simba ny volo rehefa avy milomano matetika, na tany amin’ny ranomasina na tany amin’ny « piscine ». Marihana fa ireo karazana rano filomanosana ireo dia mitahiry « chlore » amin’ny tahany ambony. Ny « chlore » nefa dia manamaina ary manimba ny volo ka mahatonga azy ho vakivaky. Tsara izany raha ampitomboina kokoa noho ny mahazatra ny fikarakarana ny volo mba hiarovana azy tsy ho simban’ny ranomasina sy ny ranon’ny « piscine ».

Mampiasa « masque » manamafy ny taovolo

Ny taovolo ny simban’ny ranomasina sy ny ranon’ny « piscine » voalohany rehefa milomano. Izany indrindra no ilaina ny fanaovana « masque » manamafy ny taovolo rehefa alohan’ny hilomano. Efa misy moa ireo vokatra efa vonona ampiasaina azo vidiana eny amin’ny mpivarotra eny. Ny karazana vokatra ahitana menaka kinana (huile d’argan », diloilo coco na menaka zavoka no anisan’ny mandaitra indrindra hanamafisana ny taovolo sy hiarovana azy amin’ny « chlore ». Avela milona tsara ny masque avy eo kobanina.

Manao « bain d’huile »

Rehefa avy kobanina ny « masque » dia manao « bain d’huile » indray. Arakaraky ny karazam-bolo moa ny menaka ampiasaina amin’izany. Tsara hatrany raha menaka avy amin’ny zava-maniry no ampiasaina. Raha azo atao dia vokatra natoraly no ampiasaina. Azo ajanona eo amin’ny volo ny menaka nanaovana « bain d’huile » rehefa milomano. Rehefa vita ny filomanosana dia manasa volo amin’ny « shampoing ».

Manosotra « soin hydratant » rehefa avy milomano

Rehefa avy nosasana tsara ny volo dia mampiasa « soin hydratant » indray. Ity vokatra ity no mampitony ilay volo rehefa avy nilomano. Anisan’ny vokatra azo ampiasaina ny « soin » namboarina avy amin’ny « yaourt », vahona sy tantely. Io no hosorana amin’ny volo alohan’ny hanakobanana azy tanteraka. Avela maina ho azy ny volo fa tsy mampiasa hafanana.

Lire la suite

Articles Similaires