• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Afd
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tandremo : mety hampidi-doza ny fanaovana dokotera tena !

22/01/2024 10:41 © Moov.Mg

Maro tokoa eny amin’ny fiarahamonina eny ireo olona manao dokotera tena na hoe « automédication ». Izany hoe mihinana fanafody tsy nahazoana toromarika tany amin’ny mpitsabo. Tandremo fa mety hampidi-doza ny fanaovana izany.

Inona no atao manao dokotera tena na « automédication » ?

Ny fanaovana dokoteraka tena na « automédication » dia ny fanampahan-kevitra samirery ny ampiasa fanafody iray tsy nahazoana toromarika tany amin’ny mpitsabo. Izany hoe tsy manantona dokotera rehefa misy soritr’aretina na aretina heverina fa maivana fa avy hatrany dia mihinana na mampiasa ny fanafody eritreretiny hitsaboany tena.

Ireo loza mety ateraky ny fanaovana dokotera tena

Maro ireo risika mety ateraky ny fanaovana dokotera tena na « automédication ». Anisan’izany ny :
-Fitsaboana diso
Sarotra ny mamantatra ny aretina ho an’ny olon-tsotra tsy nandalina ny fitsaboana. Ny fanaovana dokotera tena dia mety mahatonga fitsaboana diso ka vao maika hiteraka fahasarotana amin’ny toe-pahasalaman’ilay olona.
-Fahadisoan’ny fatra (dosage)
Zava-dehibe amin’ny fiasan’ny fanafody ny fanajana ny fatrany (dosage). Raha misy fahadisoana amin’ny fatra dia mety hitarika ho amin’ny fanampoizinana (raha mihoatra) ary tsy fiasan’ny fanafody (raha tsy ampy).
-Fifangaroan’ny fanafody tsy mifanaraka
Fifampifangaroan’ny fanafody samihafa mety misy voka-dratsy lehibe eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana. Izany hoe misy fanafody tsy tokony miaraka ampiasaina na miaraka hoanina fa mety mivadika poizina ny fifangaroany ao anaty vatana.
-Fihinanana fanafody tsy mifanaraka amin’ny toe-batana
Ny fihinanana fanafody tsy mifanaraka amin’ny toe-batana dia miteraka voka-dratsy. Misy tokoa ireo karazana fanafody tsy mety amin’ny bevohoka, mpampinono, ny ankizy na koa ny beantitra izay tsy voatery ho fantatry ny olon-tsotra.
-Fahataran’ny fitsaboana
Mety mitarika amin’ny fahataran’ny fitsaboana ny fanaovana dokotera tena. Izany hoe lasa mihemotra ny fankanesana any amin’ny mpitsabo sy ny fitsaboana sahaza ny aretina. Mety miteraka fahasarotana ara-pahasalamana izany.

Ireo olona atahorana hanao dokotera tena

Ny olon-drehetra dia mety atahorana hanao dokotera tena. Misy kosa nefa ireo karazan’olona atahorana kokoa noho ny hafa, anisan'izany ny :
-Olona antitra ;
-Vehivavy bevohoka na mampinono ;
-Olona manana aretina mitaiza ;
-Olona sahirana ara-pivelomana.

Ireo torohevitra hisorohana ny fanaovana dokotera tena

Maro ary tsotra ireo fomba hisorohana ny fanaovana dokotera tena :
-Manantona mpitsabo hatrany raha vantany vao misy soritr’aretina ;
-Fadiana ny mihinanana na mampiasa fanafody natoron’olona hitsaboana aretina na soritr’aretina. Tsy voatery mitovy ny toe-batan’ny tsirairay ka ny fitsaboana nandaitra tamin’izay mety tsy andaitra amin’ny hafa ;
-Tsy azo omena fanafody tsy nahazoana torohevitra avy any amin’ny mpitsabo ihany koa ny zaza sy ny ankizy.

Lire la suite

Articles Similaires