• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Amour De Cuisine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanamboarana « pâte brisée » vita ao an-trano

19/01/2024 13:48 © Moov.Mg

Akora iray lehibe ilaina amin’ny fikarakara « tarte », na mamy na masira, ny « pâte brisée ». Azo jifaina amin’ireny tranombarotra lehibe ireny moa izy io ary tonga dia vonona ampiasaina. Izany hoe ny fangaro atao eo amboniny fotsiny sisa no karakaraina dia vita ny « tarte ». Mbola hafa ihany nefa ny manamboatra « pâte brisée » ao an-trano. Mora vidy ary matsiro kokoa. Araho ‘nge e !

Ireo zavatra ilaina raha hanao « pâte brisée »

-Lafarina 200g ;
-Dibera malemy 100g (fa tsy mitsonika) ;
-Sira 1 tsongo;
-Siramamy 1 tsongo ;
-Rano tapaky ny kaopy ;
-Tamenak’atody 1.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana izany

Atao anaty « saladier » na « bol » lehibe ny lafarina. Asiana sira sy siramamy iray tsongon-tanana avy ary afangaro tsara daholo.
Tetehina atao « en dé » ilay dibera malemy ary afangaro amin’ilay lafarina. Ny lohan’ny rantsan-tanana no ampiasaina ampifangaroana azy mba hivadika lasa mamasipasika ilay fangaro.
Rehefa mamasipasika tsara, tsy ahitana lafarina intsony, dia arotsaka ao ilay tamenak’atody. Afangaro tsara indray.
Avy eto tapohana rano tsikelikely amin’izany. Afangaro tsara dia avy eo somary kosehina eo ambony latabatra amin’ny alalan’ny foton’ny felatanana. Izany dia mba hampifangaro sy hampiraikitra tsara ilay dibera amin’ilay lafarina. Rehefa vita izay dia volavolaina ilay paty mba ahazoana « boule » iray lehibe. Fonosina « film alimentaire » ary avela hilona adiny 1 ora anaty vata fampangatsiahana.
Manarak’izany dia asiana lafarina kely eo ambony latabatra. Apetraka eo ilay paty teo. Fisahana amin’ny « rouleau à pâtisserie ». Ezahana atao mahazo endrika boribory ary tsy atao manify loatra. Azo ampiasaina avy hatrany ny paty raha hanao « tarte ».
Fikafika : Mba hahamora ny fampidirana ilay paty anaty lasitra (moule) dia avalona 4 aloha vao apetraka eo afovoan’ilay lasitra. Avy eo velarina fotsiny atao manaraka ny sisin’ity farany.

Lire la suite

Articles Similaires