• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ile De La Réunion
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « beignets de piment » matsiro sy mora atao

18/01/2024 15:42 © Moov.Mg

Vokatra izao ny sakay fanendy ary mora vidy izy ireo eny an-tsena eny. Maro ireo karazana nahandro afaka karakaraina amin’ny alalan’izy ireny ka ny fanaovana « beignets de piment » no andeha ho atoro eto anio.

Ny zavatra ilaina raha anao « beignets de piments »

-Sakay fanendy izay mahampy ;
-Toton-kena 250g na arakar’izay mahampy ny sakay ampiasaina ;
-Ovy 500g ;
-Atody 2 ;
-Lafarina 250g ;
-Tongolo gasy ;
-Sakamalaho ;
-Kotomila ;
-Rano 1 kaopy lehibe ;
-« Levure chimique » 1 sotrokely ;
-Sira sy dipoavatra.

Fomba fikarakarana ny « beignets de piments »

Sasana tsara ny ovy ary andrahoina aman-kodiny. Rehefa masaka dia vohasana ary potserina amin’ny sotrorovitra.
Endasina ny toton-kena miaraka amin’ny sakamalaho sy ny tongolo gasy voakiky. Rehefa masaka dia ny toton-kena dia afangaro amin’ny ovy nopotserina. Asiana kotomila notetehana madinika ary asiana sira sy dipoavatra. Afaka ampiana zavamaitso sy « épices » hafa arak’izay tiana.
Sasana madio tsara ny sakay fanendy, tapahana avy eny amin’ny lohany ary esorina ny voany. Avela mijanona eo ilay tangony satria ilaina be rehefa manendy azy. Rehefa vita izay dia asesika eo amin’ilay lohany iny ilay « farce », izany hoe ilay ovy sy toton-kena.
Karakaraina ny « pate beignet ». Tatavanina ny lafarina, asiana « levure », dipoavatra kely, sira. Avy eo arotsaka ny atody ary alefa tsikelikely ny rano. Tandremana tsara fa tsy tokony hitsiranoka be ilay paty nefa tsy atao marihitra be ihany koa. Lanjalanjaina tsara ny habetsan’ny rano. Avela hilona kely 15 minitra hatramin’ny 30 minitra ny paty vao ampiasaina.
Miditra amin’ny fanendasana amin’izay. Afanaina anaty lapoaly jobo na vilany saba ny menaka. Rehefa mafana dia arotsaka ao amin’ilay paty ny sakay voasesika avy eo endasina. Esorina rehefa miova loko somary volontany ny « beignets de piments ». Avela mitsika tsara ny menaka ary aroso mafana.

Lire la suite

Articles Similaires