• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bluetens
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fanatanjahantena manampy amin’ny fampihenana vatana

18/01/2024 11:44 © Moov.Mg

Maro ny olona maniry sy manana tanjona ny hihena. Ilaina ny fampiarahana ny fanatanjahantena sy ny fihinanana sakafo voalanjalanja mba ahatongavana amin’izany. Marihana fa tsy ny fanatanjahantena rehetra no mandaitra. Atoro eto ary ireo karazana fanatanjahantena mandaitra kokoa amin’ny fampihenana vatana.

Inona no karazana fanatanjahantena mandaitra indrindra raha te hihena ?

Ireo karazana fanatanjahantena mampiasa hozatra maro sy masy no mandaitra indrindra raha te hampihena vatana. Mandoro tavy betsaka kokoa sy haingana kokoa izy ireny raha oharina amin’ireo fanatanjahantena sy fanazaran-tena hafa. Maro tokoa moa ireny karazana fanatanjahantena manampy amin’ny fampihenana vatana. Ho resahantsika manokana eto ireo fantatry ny be sy ny maro sy anisan’ireo mandaitra indrindra.

Ny hazakazaka

Ny hazakazaka dia fanatanjahantena iray azon’ny rehetra atao satria tsy mila fitaovana manokana ary azo atao eny rehetra eny. Anisan’ireo mandaitra indrindra amin’ny fandorana ny tavy mihoatra ao amin’ny vatana izy io. Marina fa ny ranjo no miasa be rehefa mihazakazaka. Voahetsika manarak’izany ihany koa nefa ny hozatra rehetra amin’ny vatana. Mila mahavatra kosa nefa raha maniry ny ahita vokatra avy amin’ny fihazakazahana. Tsy atao latsaky ny 45 minitra ny fanaovana izany isan’andro. Ho an’ireo olona matavy (mavesatra) loatra kosa dia tsy mety ny mihazakazaka satria mety handratra ny lohalika na ny ketrokely ny fanaovana izany. Azo soloina fanaovana dia-maika kosa nefa izany.

Ny lomano

Tafiditra anatin’ireo karazana fanatanjahantena manampy amin’ny fampihenana vatana ny lomano. Miasa avokoa ny ankabeazan’ireo andiana hozatra amin’ny vatana rehefa milomano. Ankoatra izay dia manatsara ny fiasan’ny fo sy ny lalan-drà ity farany. Ny hozatra amin’ny soroka, ny sandry, ny ranjo, ny lamosina sy ny amin’ny faritry ny kibo no miasa indrindra. Mandoro manodidina ny 650 kaloria eo ho eo ny filomanosana « brasse » mandritra ny ora 1. Mety mbola mitombo ny tavy very raha atao mifandimby ireo karazana filomanosana mandritra izay ora 1 izay.

Ny fitaingenana bisikileta

Anisan’ny fanatanjahantena maro mpankafy ny fitaingenana bisikileta. Fialamboly ary fomba fitaterana ihany koa moa izy io. Mety ho an’ny olona te hanena vatana izy io, indrindra raha atao amin’ny fiakarana na koa entina mandeha mafimafy sy lavitra. Izany hoe somary mandeha mafy ary tsy mijanojanona mba handoroana ireo tavy amin’ny vatana. Mampihetsika karazana hozatra maro ny fitaingenana bisikileta fa ny faritra manodidina ny kibo sy ny tapany ambanin’ny vatana no miasa indrindra. Azo asolo « vélo » fampiasa anaty trano ihany koa moa izany ho an’ireo izay afaka manao izany.

Ny « musculation »

Maro ireo fanazaran-tena atao rehefa manao « musculation », toy ny fibatana fonjam-by, fanamafisana ny hozatra... Fanatanjahantena miompana amin’ny fampitomboana ny hozatra moa izy io ka mazava ho azy fa ampiasaina avokoa ny ankamaroan’ny hozatra amin’ny vatana. Mba ahatongavana amin’ny fampitomboana ny hozatra dia mila dorana aloha ireo tavy mihoatra. Marihana fa manala eo amin’ny 260 kaloria isaky ny fikotranana ny fanaovana « musculation ». Mety ho kely ihany izany raha oharina amin’ireo fanatanjahantena voalaza eo ambony. Marihana kosa nefa fa mbola manohy mandoro tavy ihany ny vatana mandritra ny 2 hatramin’ny 3 andro aorian’ny fikotranana.

Lire la suite

Articles Similaires