• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Elle
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahana ireo tsara fantatra mikasika ny « spasmophilie »

17/01/2024 14:57 © Moov.Mg

Maro ny olona voan’ny « spasmophilie » eny amin’ny fiarahamonina eny nefa tsy mahafantra ny mahatonga izany. Misy ihany koa ireo mihevitra izany ho zavatra hafa. Ho resahana eto ary ireo rehetra tsara fantatra mikasika ny « spasmophilie ».

Inona no atao hoe « spasmophilie » ?

Ny « spasmophilie » dia fikorontanana iray eo amin’ny fiasan’ny vatana miseho amin’ny alalan’ny, fisefoana haingana be, fikainkonan’ny hozatra tampoka, fahatsapana teritery ao amin’ny fo, manindrontsindrona ao amin’ny vatana, torovana, fangovitana… Mety manaintaina tokoa ny fikainkonan’ny hozatra ateraky ny « spasmophilie » ary mety hitranga amin’ny faritra maro amin’ny vatana, toy ny tanana, tongotra, hatoka na ny tarehy. Mifandraika betsaka amin’ny tebiteby ny « spasmophilie ». Fantra ihany koa fa misy trangan-javatra samihafa, ara-batana sy ara-tsaina, mety mitarika izany.

Ny fomba fisehon’ny krizy amin’ny olona « spasmophile »

Rehefa mihetsika ny krizin’ny « spasmophilie » dia mahatsapa ary maneho zavatra maro ny vatan’ilay olona :
-Lasa toy ny teritery ny fo ;
-Mihenjana ny valahana ;
-Mikainkona mafy ny hozatra, indrindra ny amin’ny tanana, ny tongotra sy ny hatoka ;
-Midobodoboka mafy sy malaky ny fo ;
-Manjavozavo tampoka ny maso ;
-Marary an-doha ;
-Volivoly ny tanana sy ny tongotra ary ny molotra ;
-Torovana ny hozatra sy ny vatana ;
-Misefosefo tsy avy miaina.

Ireo antony mety mahatonga ny « spasmophilie »

Araka ny voalaza teo aloha dia ny fahatsapana tebiteby no antony voalohany mahatonga ny « spasmophilie ». Ankoatra izay dia misy ireo trangan-javatra mahavoa ny vatana na ny saina mety mitarika izany. Anisan’izany ny :
-fahamoizana olona akaiky (fianakaviana na namana) ;
-ny arerahana nohon’ny fiasan-tsaina be loatra amin’ny asa na ny fianarana ;
-fitomboana na fihenan’ny tahan’ny « magnésium », « calcium », « lipide » na « acide » ao amin’ny vatana.

Vahaolana hiadiana amin’ny « spasmophilie »

Marihana fa tsy misy fomba manokana ahafahana misoroka tanteraka ny krizin’ny « spasmophilie ». Azo atao kosa nefa ny mampihena ny « risques » mahatonga azy io amin’ny alalan’ny :
-Fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja ;
-Fanaovana fanatanjahantena isan’andro ;
-Fifadiana ireo zavatra manaitaitra toy ny kafe, alikaola, sigara ;
-Fisorohana ireo toe-javatra mahatonga rarin-tsaina sy tebiteby ;
-Fanaovana ireo fanazaran-tena mampitony ny vatana sy ny saina, toy ny « yoga », « méditation »…
-Fahampiana torimaso.

Ny tokony atao raha manao krizy

Rehefa manao krizin’ny « spasmophilie » ny olona iray dia mila atao maka toerana milamina mba hampitony ny tebiteby eo aminy. Rehefa izy ilay misefosefo sy tsy avy miaina iny dia asiana « sachet » taratasy na plastika eo amin’ny vava sy ny orony ary asaina miaina (respirer) ao izy. Izany dia manampy amin’ny fandanjalanjana ny « respiration » sy hampiverina izany amin’ny laoniny. Tandremana kosa tsy ajanona ela loatra ny fampiasana ilay « sachet » satria raha lany ny « oxygène » ao anatin’izany dia mety ho sempotra ilay olona. Mazava ho azy fa mila manantona mpitsabo hatrany ny olona « spasmophile » mba handray ny toromarika mahomby sy azo antoka hiadiana amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires