• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana trondro maina saosy

16/01/2024 14:24 © Moov.Mg

Sakafo fahita ary maro mpankafy eto amintsika ny trondro maina. Voalaza fa isan’ireo sakafo mitahiry otrik’aina maro moa izy ireny. Matsiro tokoa ny trondro maina rehefa hay ny mahandro azy. Araho eto ary ny fomba fikarakarana trondro maina saosy.

Ireo zavatra ilaina amin’ny fanaovana trondro maina saosy

-Trondro maina (tsara kokoa raha gogo na izay trondro be nofony) ;
-Tongolo ;
-Voatabia ;
-Anamalaho ;
-Sakamalaho ;
-Angivy ;
-Ovy ;
-Sira ;
-Menaka.

Ny fomba fanaovana azy

Alona anaty rano mandritra ny 30 minitra ny trondro maina mba hiala ireo mety ho bibikely miraikitra aminy sy mba ho afaka ilay sira nandomana azy. Rehefa vita dia avela hitsiaka anaty « passoire ».
Endasina atao saosy anaty vilany ny tongolo sy ny voatabia voatetika ary ny sakamalaho voatetika. Rehefa manomboka mendy ireo fangaro dia arotsaka ao ny trondro maina. Somary endasina miaraka ao mandritra ny 5 minitra.
Arotsaka manarak’izay ny ovy voavaofy sy voatetika mizara 4 sy ny angivy. Alefa ao ihany koa ny anamalaho efa avy nosasana tsara. Tapohana rano mandifotra azy ary avela hiketrika eo. Rehefa mitady ho ritra dia tapohana rano mandifotra azy indray mandeha indray.
Vita ny nahandro rehefa ketsaketsa tsy be rano be intsony. Tsy atao ritra loatra ihany koa satria ilay saosy iny no tena matsiro. Mazava ho azy fa azo atao rony ihany koa ny trondro maina ho an’ireo izay mankafy izany. Azo asiana tongolo maitso kely ihany koa rehefa masaka mba hampisy hanitra sy hanaingoana azy.

Lire la suite

Articles Similaires