• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Babyboom
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Pertes vaginales » : rehefa ahoana no tsy ara-dalàna izy ireny ?

15/01/2024 13:07 © Moov.Mg

Voajanahary ny fisian’ny tsiranoka (pertes) mivoaka amin’ny fivavian’ny vehivavy. Indraindray nefa izy ireny mety ho fambarana aretina. Mila fantarina tsara « pertes vaginales » mivoaka mba ahafahana mitsabo azy ireny raha ilaina. Ahoana ary no ahafantarana fa tsy ara-dalàna na mifono aretina ny « pertes vaginales » ?

Inona no atao hoe « pertes vaginales » ?

Araka ny voalaza teo aloha dia ny tsiranoka voajanahary mivoaka amin’ny fivaviana no atao hoe « pertes vaginales ». Tsiranoka tsy misy fofona, miloko matsato na somary mitovy amin’ny lokon’ny ronono izy ireny rehefa ara-dalàna.
Manampy ny vatana amin’ny fanadiovana ny fivaviana ny « pertes vaginales », indrindra amin’ny famoahana ireo sela maty ao anatin’izany. Mety miova ny habetsahan’izany tsiranoka izany arakaraky ny fotoana ao anatin’ny « cycle menstruel » na mandritra ny fitondrana vohoka.

Ahoana ny ahafantarana hoe tsy ara-dalàna ny « pertes vaginales » ?

Lazaina fa tsy ara-dalàna ny « pertes vaginales » raha toa ka :
-Lasa betsaka loatra na matevina be tsy toy ny mahazatra ;
-Fotsy be sady misy mivaingambaingana ;
-Miloko volon-davenina matsatso, maitso, mavo na misy rà kely ;
-Misy fofona ratsy toy ny fofon-trondro.
Mety arahina hidihidy, mamaivay, fanaintainana eo amin’ny vavan’ny fivaviana… ny « pertes vaginales » tsy ara-dalàna.

Ireo antony mahatonga ny fiovan’ny « pertes vaginales »

Maro ireo antony mety mahatonga ny fiovan’ny « pertes vaginales ». Anisan’ireo antony lehibe mahatonga izany ny :
-Aretin’ny taovam-pananahan’ny vehivavy vokatry ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, toy ny « gonorrhée », « chlamydiose », « trichomonase » … ;
-Fampiasana vokatra (produits) tsy zaka amin’ny fivaviana, toy ny savony, « poudres », « crèmes »… ;
-Aorian’ny « ménopause » izay mahatonga ny fivaviana ho maina sy manify ;
-Fikorontanan’ny « flore vaginale » noho ny fanaovana atin’akanjo tsy « coton », fanaovana ambanin’akanjo tery loatra…

Ahoana ny fitsaboana ny « pertes vaginales » tsy ara-dalàna ?

Rehefa mahatsikaritra fiovana tsy ara-dalàna eo amin’ny tsiranoka mivoaka ny fivaviana dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo. Ity farany no afaka mamaritra ny antony mahatonga izany fiovan’ny « pertes vaginales » izany sy manome ny fanafody sahaza hitsaboana izany. Mety misy fitiliana asainy atao raha ilaina.
Matetika dia mora tsaboina amin’ny fanafody moa ny « pertes vaginales » sy ny aretina mety fonosin’izany. Mba hisorohana ny tsiranoka tsy ara-dalàna dia tsara raha manara-maso matetika azy ireny mba ahitana mialoha raha misy fiovany. Ilaina ihany koa ny mampiasa fimailo mba hiarovan-tena amin’ny aretina azo amin’ny firaisana ara-nofo, indrindra ireo miaraka amin’ny olona maro. Tandremana tsara ihany koa ny fampiasana vokatra (produits) mety mampikorontana ny « flore vaginale ».

Lire la suite

Articles Similaires