• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Simple & Gourmand
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fandrahoana « crabe sauce » na drakaka

12/01/2024 09:23 © Moov.Mg

Anisan’ny hazan-drano be mpankafy ny drakaka. Tsara kalitao ary azo lazaina ho tsy dia lafo vidy moa aizy ireny eto amintsika. Maro ny fomba azo hikarakarana azy io fa ny fanaovana drakaka saosy na « crabe sauce » no andeha ho zaraina eto.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « crabe sauce »

-Drakaka na « crabe » ;
-Tongolo ;
-Voatabia ;
-Sakamalaho ;
-Tongolo gasy ;
-« Crème fraîche » ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Zava-maitso (kotomila, tongolo maitso…)

Fomba fandrahoana azy

Diovina tsara ny drakaka. Esorina ireo loto sy ireo faritra tsy fihinana aminy. Rehefa avy nosasana tsara dia atao mitsiaka anaty « passoire ».
Omanina avokoa ireo fangaro anaovana ny saosy. Izany hoe tetehina ny tongolo sy ny voatabia, kikisana ny sakamalaho sy ny tongolo gasy.
Afanaina anaty vilany ny menaka hanendasana ny saosy. Arotsaka ny tongolo avela ho somary mendy kely fotsiny dia arotsaka ny voatabia. Rehefa somary miketrika dia alefa indray ny sakamalaho sy ny tongolo gasy voakiky. Asiana sira sy dipoavatra.
Rehefa potika tsara ireo fangaro natao saosy ireo dia arotsaka ny drakaka. Aroharoana amin’ny sotrobe hazo toy ny hoe endasina kely miaraka amin’ilay saosy. Tapohana rano mitovy avo amin’ny fatran’ny « crabe » ao anaty vilany.
Saromana ny nahandro ary avela hiketrika. Rehefa hita fa miharidritra ilay ranony dia alefa ny « crème fraîche » ary aroharoana amin’ny sotrobe hazo indray. Avela hiketrika farany ary esorina eo ambony afo rehefa hita fa antonony ny faharitrany. Mazava ho azy fa tsy atao ritra be loatra manjary tsy misy ilay saosy. Arotsaka ny zava-maitso notetehina madinika tsara.
Fanamarihana : Azo asolo ronono ilay « crème fraîche ». Amin’izay fotoana izay dia tsy mampiasa rano fa ronono no andrahoina ilay drakaka.

Lire la suite

Articles Similaires