• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Upbility.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fantaro ny mikasika ny fahaketrahana mahazo ny zaza (dépression infantile)

11/01/2024 14:10 © Moov.Mg

Toe-javatra voajanahary mety handalovan’ny zaza sy ny ankizy rehetra ny alahelo, ny hatezerana sy ny fahakizitinana. Raha toa ka hita fa lalina loatra tsy mitovy amin’ny fahita amin’ny ankizy mitovy taona aminy kosa nefa ny fisehon’ireo toe-po ireo dia mety ho fahaketrehana no mahazo ilay zaza. Ho resahana eto ireo rehetra mila fantatra mikasika ny fahaketrahan’ny zaza.

Inona no atao hoe fahaketrahana mahazo ny zaza

Ny fahaketrahana mahazo ny zaza dia fikorontanan’ny toe-po mahakasika ny ankizy 3 taona hatramin’ny 17 taona. Ny olona tratry ny fahaketrahana dia mahatsiaro tena voagejan’ny fahatsapana alahelo, fahamoizam-po, tsy fahatokisan-tena, toe-tsaina miiba… Tsy mahita maminy amin’ny fiainana ary tsy mahatsiaro hafaliana intsony amin’ny andavanandro.
Ny fahaketrehana mahazo ny zaza dia misy fiantraikany lehibe amin’ny fomba fisainany, ny toe-pony sy ny fihetsiny. Misy ihany koa ireo ankizy mahatsapa soritr’aretina ara-batana. Ny mpitsabo ihany no afaka mamaritra hoe tratry ny fahaketrahana ny zaza na ny ankizy iray.

Ireo antony mety mahatonga izany

Maro ireo antony mety mahatonga ny fahaketrahana mahazo ny zaza. Anisan’izany ny :
-Tarazo avy amin’ny ray na ny reny manana aretin’ny saina na tratry ny fahaketrahana ;
-Tsy fahatomombanana biolojika amin’ny fiasan’ny atidoha ;
-Korontana toy ny fifamaliana lava na herisetra eo anivon’ny ankohonana ;
-Rarintsaina vokatry ny tsy fahombiazana, fandrahonana, tsy firarahian’ny havana akaiky… ;
-Fiovana tampoka teo amin’ny fiainana toy ny fisarahan’ny ray aman-dreny, fahafatesan’olona akaiky, aretina mahazo ny olona akaiky, fifindrana trano na fianarana…

Ireo fambaran’ny fahaketrahana mahazo ny zaza

Tsy mitovy ny fisehon’ny fahaketrahana amin’ny zaza na ny ankizy tsirairay. Misy kosa nefa ireo fambara fahita matetika amin’ireo tratry izany. Raha ahitana fambara maromaro amin’ireto tanisaina ireto ny zaza na ny ankizy dia mila entina manantona mpitsabo :
-Malahelo sy maloka endrika lava ;
-Kizitina sy tezitra mafy sy matetika ;
-Marary kibo na marary an-doha nefa tsy misy aretina ;
-Ratsy torimaso ;
-Tsy mazoto homana ary mihena ny lanja ;
-Tsy mavitrika fa rera-dava ;
-Mitokatokana ;
-Tsy liana amin’ny lalao sy ny fialamboly intsony ;
-Miova lasa mafy loha sy kamokamo any am-pianarana ;
-Tsy mazoto na tsy mety mandeha mianatra intsony.

Ny tokony atao manoloana ny zaza tratry ny fahaketrahana

Raha ahitana fambaran’ny fahaketrahana mahazo ny zaza ny zanaka dia mila entina any amin’ny mpitsabo manokana ny saina (psychologue). Ity farany no manana ny trai-kefa hitsaboana azy ara-dalàna. Etsy andaniny dia misy ihany koa ireo fanampiana ny zanaka azo ary mila ataon’ny ray aman-dreny :
-Atao tsapan’ilay zaza na ilay ankizy fa eo foana Dada sy Neny mitia sy mihaino azy ;
-Manokana fotoana mahafinaritra hiarahana aminy ;
-Manambitamby azy fa tsy mibedy na mikapoka fahatany ;
-Mikarakara tsara azy amin’ny andavanandro.

Lire la suite

Articles Similaires