• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Recette.Net
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « chips » betiravy

10/01/2024 10:13 © Moov.Mg

Legioma fahitantsika eny an-tsena eny ny betiravy. Matetika dia atao lasary, « jus » na hanaingoana nahandro no ampiasaina azy ireny. Fantatrao ve fa azo anao « chips » ihany koa ny betiravy ? Sady mora atao, matsiro ary mikarepoka tsara ny « chips » betiravy. Araho eto ary ny fomba fanaovana izany.

Ireo akora ilaina raha hanao « chips » betiravy

-Betiravy ;
-Menaka ;
-Lafarina ;

Ireo fitaovana ilaina

-Talatalana ;
-Lapoaly jobo na saba ;
-Fitatavanana (passoire) ;
-Fatana.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny « chips » betiravy

Voasana avokoa ireo betiravy dia sasana madio. Tetehina fisaka sy manify toy ny manao « chips » ovy na vomanga. Atapy eo amin’ny masoandro ambony talatalana mba ho maina. Tsy avela ho maina be fa rehefa hita fa somary lozitra dia alaina amin’izay. Somary rarahana lafarina mba ahitana fa tena niala tokoa ny ranony. Rehefa vita izay dia atao anaty fitatavanana (passoire) ahontsakontsana tsara mba hiala ilay lafarina miraikitra aminy.
Ataingina ambony afo ny lapoaly na ny saba misy ny menaka anendasana. Endrasana mafana tsara ny menaka vao arotsaka ny betiravy. Avela ho mendy eo ho eo amin’ny 3 minitra ny ilany ary 3 minitra ny ao ambadika dia vita ny « chips » mikarepoka tsara. Esorina tanaty lapoaly ary avela hitsika tsara ny menaka. Rarahana sira kely ary azo aroso avy hatrany. Raha toa ka mbola tehirizina na ho amidy dia endrasana mangatsiaka vao atao anaty fonosana sy hidiana tsara. Tandremana tsara mba tsy hisy rivotra tafiditra ao anatiny fa manimba azy ho lasa malemy izany.

Lire la suite

Articles Similaires