• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Journal Des Femmes Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tsara fantatra mikasika ny aretina « goitre »

08/01/2024 15:04 © Moov.Mg

Aretina efa fahitantsika eny amin’ny fiarahamonina eny ny « goatre ». Miseho amin’ny alalan’ny fivontosana eo ivelan’ny tenda moa izy io. Matetika moa dia aretina mora sitranina ny « goatre », indrindra raha hita mialoha. ‘Ndeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny aretina « goatre ».

Inona ny antony mahatonga ny aretina « goatre » ?

Tsy fahampiana « iode » ao amin’ny vatana no antony voalohany mahatonga ny aretina « goatre ». Misy fihary (glande) iray antsoina hoe « thyroïde » ao anatin’ny tenda ao. Ny « glande thyroïde » no mamokatra ny « hormones thyroïdennes ». Ireto farany dia miparitaka ao anatin’ny rà mba hampirindra ny fiasan’ny taova maro ao amin’ny vatana.
Ny « iode » kosa dia mineraly iray ilaina amin’ny famokarana ny « hormones thyroïdiennes ». Izany hoe raha tsy ampy ny « iode » miditra anaty vatana dia voatery miasa mafy kokoa ny « glande thyroïde » mba hamokarana ilay « hormones ». Raha izany no mitranga dia lasa mitombo ny haben’ny « glande thyroïde ». Arak’izany dia fivontosan’ny « glande thyroïde » no atao hoe « goatre ». Misy ihany koa ireo antony hafa mety mahatonga ny « goatre ». Anisan’izany aretin’ny « thyroïde », ny fihinana fanafody toy ny « antithyroïdiens »…

Ireo fambara ahafantarana ny « goatre »

Matetika dia tsy misy fambara ny aretina « goatre » ka tsy tsikaritra raha tsy efa mivonto ny tenda. Indraindray nefa mety misy soritr’aretina miseho ihany, toy ny :
-Fahatsapana toy ny misy zavatra mibahana ao anaty tenda ;
-Tsy fahafahana mitelina ;
-Lasa farim-peo ;
-Mikohoka ;
-Fanaintainana ao anatin’ny tenda.

Ahoana ny fomba fitsaboana ny « goatre » ?

Miankina betsaka amin’ny habeny sy ny soritr’aretina miaraka aminy ny fomba fitsaboana ny « goatre ». Matetika dia tsy mila fitsaboana manokana ny « goatre » tsy misy soritr’aretina sy tsy mbola lehibe. Mila fitsaboana kosa nefa izany raha toa ka misy soritr’aretina miseho ary efa tena lehibe. Mazava ho azy fa ny mpitsabo ihany no afaka mamaritra raha mila fanafody na fandidiana ny « goatre » na tsia.
Fomba fisorohana ny « goatre »
Ny fihinana sakafo misy « iode » no fomba voalohany hisorohana ny aretina « goatre ». Amin’ny ankapobeny dia tokony mitondra ny fatrana « iode » ampy eo amin’ny vatan’ny olona iray ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja. Anisan’ireo sakafo betsaka « iode » ny sira misy ioda, ny vokatra avy amin’ny ronono, ny hazan-drano sy ny atody.

Lire la suite

Articles Similaires