• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dormez Là Dessus.Jpg
Image
Fahasalamana&Sakafo

Vahaolana mahomby raha ratsy torimaso na tapa-tory lava

08/01/2024 11:05 © Moov

Tsy vitsy ireo olona tsy mety mahita tory amin'ny alina na tapa-tory matetika. Misy mihitsy ireo tsy matory afa-tsy adiny iray na adiny roa isan'alina, na dia mijanona eo am-pandriana mandra-maraina aza. Ny olona iray nefa dia tokony matory adiny 6 hatramin'ny adiny 8 isan'alina, raha te ho salama tsara. Inona ary no atao raha tsy tombana ny torimaso ?

Matory amin'ny ora raikitra

Mila faharazana ny vatana sy ny atidoha. Tsy mety araka izany ny matory fotsiny rehefa vita avokoa izay natao rehetra. Ny tena ilaina voalohany dia ny fandaminana ny fiainana andavan'andro. Tsara raha manana "emploi du temps" manokana ny tsirairay, entina hamaritana ny asa aman'andraikitra atao amin'ny fotoana voafetra. Apetraka mialoha araka izany ny ora hatoriana sy hifoazana, ka tsy maintsy hajaina. Vetivety dia ho lasa fahazarana ny mamonjy fandriana ka ho mora ny hahita tory.

Mandro amin'ny rano mafana

Maloto ny vatana amin'ny hariva, noho ny hatsembohana sy ny mikroba nipetaka tamin'ny hoditra nandritra ny tontolo andro. Mba hampamaivamaivana tsara, amporisihina ny fandraisana "douche chaude". Hahazo aina tsara satria manotra ny hozatra sy ny taolana ny rano mafana. Raha manana baignoire dia azo atao tsara ny mampiasa "sel de bain" mba hahafaka havizanana tsara. Azo antoka fa tsy ho sarotra ny hahazo torimaso mamy.

Misafidy sakafo maivana

Ny ankamaroan'ny fianakaviana dia ny hariva vao tafahoana, ka tsy maintsy atao tsaratsara ny sakafo. Tena ilaina tokoa ny fiarahan'ny mpianakavy kely mitafatafa. Tsara kosa nefa ny mampahafantatra fa mila sakafo mora levonina ny vavony amin'ny hariva. Ny legioma sy ny voankazo no tena atao betsaka. Azo atao tsara ohatra ny mikarakara lasopy legioma na mihinanana voankazo mifangaro miaraka amin'ny yaourt. Maro ihany koa ny mankafy vary sosoa sy kitoza. Ferana ny fihinanana sakafo matavy sy voaendy.

Mamono jiro sy écrans

Tsy isarihana torimaso velively ny fijerena film na filalaovana finday. Mety hahita tory ihany saingy hifoha maraina loatra sady reraka be. Mba hahitana tory haingana, sady hanenana ny harerahan'ny vatana, tsara raha tsy mijery "écran" intsony, 30 minitra mialoha ny hamonjena fandriana.
Tokony pihana ihany koa ny jiro anaty efitrano fandriana mandritra ny alina. Ny maso mantsy dia mahita ny hazavana hatrany na dia mikimpy aza. Raha toa ka matahotra haizina dia azo atao ny mandrehitra "veilleuse".
Koa satria tsy mahasoa ny fijerena "écran", amporisihina ny fihainoana mozika malefaka. Manala ny rarintsaina sy ny tebiteby rehetra izany, ka tsy ho variana hisaintsaina ireo zava-manahirana intsony.

Manantona mpitsabo

Raha tsy mahita fiovana ny olona iray rehefa mandamina ny fiainany sy ny fomba fisakafoanany, tsara raha manantona mpitsabo. Raha tsy matory na tapa-tory mandritra ny andro maromaro mantsy dia misy fiantraikany amin'ny fahasalamana izany. Raha mahatsiaro tena ho reraka sy tsy maharay tena intsony, mety hanome "somnifères" ny dokotera mba hahafahana matory tsara. Tsy maintsy hajaina ny fatra sy ny torimarika rehetra mifanaraka amin'ny fihinanana ny fanafody, mba tsy hisy fiantraikany ratsy amin'ny fahasalamana.

Ireo vokadratsin'ny tsy fahampian'ny torimaso

-Mampihena ny hery fiarovana
-Mampihena ny fahitan'ny maso : Tsy dia mahita alavitra firy intsony sy manjavozavo
-Mampihena ny fiasan'ny atidoha : Lasa olona be adino lava, misy trou de mémoire, sarotra mandray zavatra, tsy tonga saina indraindray.
-Fahasarotana eo amin'ny fifantohana
-Rera-dava nefa tsy nanao zavatra mafy be akory
-Mora kizitina sy mora tohina
-Tosi-drà avo loatra, ka mora tapaka lalan-drà.
-Miteraka obésité sy diabète
-Manafaingana ny fahaterana

Lire la suite

Articles Similaires