• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Equipe Nutrition
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fifadiana siramamy : ireo vokatsoa ho an’ny vatana sy ny fahasalamana

04/01/2024 08:24 © Moov.Mg

Anisan’ny sakafo fihinantsika amin’ny andavanandro ny siramamy. Miteraka vokadratsy ho an’ny vatana sy ny fahasalamana nefa ny fihinanana azy, indrindra raha be loatra. Fa inona tokoa ny mety ho vokadratsin’ny fihinanana siramamy ? Ary inona ny mitranga rehefa mifady azy ireny ?

Ireo vokadratsy azo amin’ny fihinana siramamy be loatra

Hita ao anaty karazan-tsakafo samihafa hoanintsika isan’andro ny siramamy. Ilay siramamy vovony fanao amin’ny sakafo sy ny zava-pisotro moa no resahana eto. Araka ny vokam-pikarohana nataon’ny manam-pahaizana moa dia fantatra fa tsy mitondra otrik’aina ho an’ny vatana izany siramamy izany.
Raha hoanina be loatra izy ireny dia mitarika vokadratsy maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana toy ny havizanana sy rarintsaina, fahasimban’ny aty sy ny voa, diabeta, tavy, tsy fahatomombanan’ny sela ao amin’ny vatana… Mila hajaina tsara izany ny fatran’ny siramamy hoanina isan’andro. Raha azo atao dia atsahatra tanteraka mihintsy ny fihinanana azy ireny.

Ireo vokatsoa azo amin’ny fifadiana siramamy

Maro ireo vokatsoa azo amin’ny fifadiana siramamy. Izany hoe, atsahatra tanteraka ny fihinanana siramamy sy ireo sakafo voahodina ahitana izany. Raha tsy mihinana siramamy intsony ny olona iray dia :
-Mihena ny taha mety ahavoa ny diabeta. Ny fiakaran’ny tahan’ny siramamy ao anaty rà ho lasa avo be tokoa mantsy ny mahatonga ny diabeta. Ny olona mifady siramamy dia mety tsy ho voan’izany mihintsy.
-Mihena ny tavy amin’ny vatana. Ny siramamy tokoa mantsy dia mampiandrona ny tavy amin’ny vatana ka mahatonga ny olona hitombo lanja sy habe. Rehefa tsy mihinana siramamy intsony dia miala ho azy ary vetivety izany tavy niangona izany.
-Manampy amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava. Sakafo iray mampihombo ny bakteria ao anatin’ny vava ny siramamy. Ireo bakteria ireo dia mahatonga areti-nify, aretin’ny hihy sy aretina samihafa ao amin’ny ativava.
-Mampitombo ny hery sy ny angovo amin’ny vatana. Sakafo mitondra hery vetivety ny siramamy. Mora lefy ihany koa nefa izany hery izany ka lasa mora reraka ilay olona ka mitady siramamy hatrany ny vatany. Rehefa mifady siramamy dia voatazona hatrany ny tanjaky ny vatana fa tsy miaka-midina.
-Manatsara ny toe-po amin’ny ankapobeny. Marihana fa mampiakatra be sy mampihena tampoka ny tahan’ny « glycémie » ao anaty rà ny siramamy. Miova manarak’izany ihany koa ny toe-pon’ilay olona ka misy fotoana izy mety ho vizaka ara-tsaina sy ara-batana, kizitina, malahelo…

Sarotra tokoa ny mifady siramamy rehefa zatra mihinana izany. Mba hitandrovana ny fahasalamana nefa dia ‘ndeha ataontsika fanamby amin’izao fiandohan’ny taona izao ny fialana tanteraka amin’ny fihinanana siramamy.

Lire la suite

Articles Similaires