• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Forté Pharma
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalaman’ny vehivavy : ireo tsara fantatra mikasika ny « flore vaginale »

29/12/2023 08:36 © Moov.Mg

Zavatra iray tena saro-pady ao anaty vatan’ny vehivavy ny « flore vaginale » satria miankina betsaka aminy ny fahasalamana ara-pananahany. Misy fiantraikany maro, toy ny fiovan’ny « pertes » na ny fofona ratsy amin’ny fivaviana ny fikorontanan’ny « flore vaginale ». Mba isorohana izany ary dia andeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny atao hoe « flore vaginale ».

Inona no atao hoe « flore vaginale » ?

Raha azavaina amin’ny fomba tsotra dia bakteria marobe ao anatin’ny fivaviana sy ny lalan-jaza izay miaro azy ireo amin’ny mikraoba avy any ivelany ny « flore vaginale ». Azo raisina toy ny hoe hery fiarovana manokana ho an’ireo faritry ny vatana ireo izany ity farany. Rehefa salama tsara sy tsy mikorontana ny « flore vaginale » dia miasa amin’ny fanadiovana voajanahary ny fivaviana. Miaro azy ihany koa amin’ny aretina maro mety mahavoa ny taovam-pananahan’ny vehivavy. Mazava ho azy fa tsy miaro amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo kosa nefa ny « flore vaginale ».

Inona no mety fiantraikan’ny fikorontanan’ny « flore vaginale » ?

Rehefa mikorontana ny « flore vaginale » dia mora handairan'ny mikraoba avy aty ivelany ny taovam-pananahan’ny vehivavy sy ny lalan-jaza. Arakarak'ilay karazana mikraoba tafiditra ny mety ho fisehony :
-Tsiranoka (pertes) mamofona mety miloko fotsy na miloko hafa ;
-Mangidihidy ny faritry ny fivaviana ;
-Maina, malailay ny fivaviana ;
-Mety hisy « infection » ihany koa any amin’ny fantsona fipipizana.

Ireo antony mety mahatonga ny « flore vaginale » hisy tsy fahatomombanana

Maro ireo antony mety mahatonga tsy fahatomombanana na fikorontanana amin’ny « flore vaginale », anisan’izany ny :
-Fiovan'ny « hormones » anaty vatana. Noho izany, mety ho mora hisehoany kokoa ny bevohoka, ny « ménopause », ny adolatsento, ireo vehivavy mampiasa fanabeazan'aizana misy « hormones » ;
-Fihinanana fanafody sasany toy ny « antibiotiques » mahery mandritra ny fotoana maharitra. Mety mamono ireo bakteria tsara mandrafitra ny « flore vaginale » izany ;
-Fomba fisasàna tsy araka ny tokony ho izy. Izany hoe misasa matetika loatra, misikotsikotra, misasa amin’ny savony na rano tsy madio tsara, manao silipo tery loatra na « synthétique » mahatsemboka be ;
-Arerahana, rarin-tsaina, fisotroana alikaola sy fifohana sigara maharitra.

Inona ary no tokony atao hikolokoloana ny « flore vaginale » ?

Tsotra ny fikolokoloana ny « flore vaginale ». Atomboka fianarana misasa araka ny tokony ho izy. Izany hoe rano madio sy avy nampangotrahana ny hisasana. Tsy misikotsikotra rehefa misasa. Tsy mampiasa savony rehefa misasa. Raha tsy maintsy hampiasa dia ireny « gel intime » amidy eny amin’ny farmasia ireny no ampiasaina. Tsara hatrany raha manontany dokotera vao mampiasa azy ireny.
Atsahatra ihany koa ireo fahazaran-dratsy toy ny fifohana sigara sy ny fisotroana toaka be loatra. Tsy adinoina ny misotro rano betsaka sy ny mihinana sakafo ara-pahasalamana, indrindra ny « yaourt » sy ny legioma. Ezahana mba ho silipo « coton » hatrany no anaovana. Atao somary malalaka izy ireny ary tsara raha tsy manao ireny silipo tery toy ny « string » ireny. Farany, mila manokana fotoana hakana aina sy hialana voly mba hisorohana ny havizanana sy ny rarin-tsaina.

Lire la suite

Articles Similaires