• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tantely : akora natoraly mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana

17/10/2024 15:42 © Moov.Mg

Isan’ireo firenena mamokatra tantely amin’ny kalitaony tsara tokoa raha isika eto Madagasikara. Maro amintsika no mampiasa azy io amin’ny andavanandro noho izy mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana. ‘Ndeha ary ho fantarina ireo vokatsoa azo avy amin’ny tantely sy ny fomba fampiasana azy.

Mampitony ny areti-tenda izay mpiseho rehefa mangatsiaka ny andro

Efa hatry ny ela ny tantely no nampiasaina hampitoniana sy hitsaboana ny areti-tenda izay aretina mpiseho rehefa mangatsiaka ny andro. Mitahiry otrikaina maro manampy amin’ny fanalefahana ny tenda marary na maina izy io. Rehefa hoanina izy io dia lasa misy soson’izany miraikitra ao amin’ny ati-tenda ka mampitony ilay fanaintainana. Tsotra ny fampiasana azy, mihinana tantely 1 na 2 sotrokely indroa isan’andro. Ny miel de thym sy ny miel d’eucalyptus no tsara ampiasaina amin’ity torohevitra ity.

Manamora ny fandevonan-kanina ary miady amin’ny fitohanana

Ahitana « enzymes » miasa amin’ny fanamorana ny fandevonan-kanina ao anatin’ny tantely. Ity farany tokoa mantsy dia mitahiry « fructose » betsaka izay karazana siramamy tonga any amin’ny tsinay be fa tsy levona mandritra ny fandevonan-kaina. Ny « fructose » dia « laxatif » natoraly izay tsara ho an’ny fahasalamana. Raha toa izany ka mahatsapa mangotika lava ny kibo na mavesabesatra ao amin’ny vavony dia tsara ny mihinana tantely 2 sotrokely isan’andro. Ny miel de romarin no tsara raha te hampitony ny taova fandevonan-kanina. Ny miel d’acacia kosa no mety kokoa raha manana olana amin’ny fitohanana.

Mandrindra ny tahan’ny siramamy anaty rà na ny « glycémie »

Zavamamy voajanahary ny tantely ka afaka manampy amin’ny fandrindrana ny tahan’ny siramamy anaty rà na ny « glycémie ». Miavaka amin’ny siramamy izy io no izy sady mitahiry « fructose » no mitahiry « glucose » ary « principes actifs » mahatonga azy afaka mametra ny tahan’ny siramamy anaty rà. Ireo karazana tantely manana « indexe glycémique » ambany toy ny miel d’acacia, miel de châtaignier sy ny miel de tilleul, dia ela kokoa vao voatrokan’ny vatana. Maro ireo vokam-pikarohana manamarina fa tsara hoan’ny olona diabetika sokajy faharoa ny fihinanana tantely amin’ny antonony.

Manamafy ny hery fiarovana

Isan’ny vokatsoa azo avy amin’ny tantely ihany koa ny fanamafisana ny hery fiarovan’ny vatana. Manampy tokoa izy io hiadiana amin’ireo aretina mpitranga rehefa ririnina, toy ny kohoka, ny sery, ny areti-tenda… Manampy ny vatana hiady amin’ireo otrikaretina isan-karazany ny tantely no izy mitahiry otrikaina maro samihafa. Mba hisitrahana izany dia tsara raha mihinana tantely 1 sotro lehibe isan’andro mandritra ny 2 herinandro, indrindra mandritra ny vaninandro mangatsiaka.

Fanamarihana

Na dia maro tokoa ary ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana tantely dia mila hoanina amin’ny antonony ihany nefa izy ireny. Mamy be tokoa mantsy izy io ka raha be loatra ny hoanina dia mety hisy fiantraikany ratsy, toy ny hoe mampatavy, mankarary nify, manakorontana ny tahan’ny siramamy anaty rà… Tsy azo omena tantely ny zaza latsaky ny erin-taona satria mety mahatonga ny aretina « botulisme » eo aminy izany.

Lire la suite

Articles Similaires