• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Association Française Du Vitiligo
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny aretina hazampotsy na « vitiligo »

28/12/2023 13:26 © Moov.Mg

Mbola maro ny olona tsy mahafantatra ny aretina hazampotsy na « vitiligo ». Matetika noho izany dia voahilikilika ireo olona tratr’izany aretina izany eny amin’ny fiarahamonina. Marihana nefa fa tsy mifindra ny hazampotsy. Fa inona tokoa moa ny aretina hazampotsy ? Inona no mahatonga azy ary ahoana ny fandraisan-tanana azo atao ho an’ireo marary ?

Inona no atao hoe hazampotsy na « vitiligo » ?

Aretin-koditra iray miseho amin’ny alalan’ny fiovan’ny lokon’ny hoditra ny hazampotsy na « vitiligo ». Raha ny marina kokoa dia vokatry ny fahasimban’ny « mélanocytes » no mahatonga izany fiovana loko eo amin’ny hoditra izany. Ny « mélanocytes » no sela miandraikitra ny fanomezana loko ny hoditra. Rehefa tratry ny hazampotsy ny olona iray dia miova tsikelikely ny lokon’ny hoditra, mety amin’ny faritra iray manokana na amin’ny faritra maro amin’ny vatana, ary lasa miloko fotsy na mavokely. Matetika dia eo amin’ny faritry ny tarehy, tanana, sandry, tongotra, ranjo, lamosina na hodi-doha no miseho ny « vitiligo ». Marihina fa tsy mifindra ny hazampotsy.
Mizara ho karazany roa moa ny hazampotsy. Ny voalohany dia ilay atao hoe « vitiligo segmentaire ». Izany hoe faritra iray manokana amin’ny vatana ihany no misy azy, toy ny ilan’ny tarehy ihany. Mihitatra haingana be izy ity ary tsy mihombo intsony avy eo. Ny « vitiligo généralisé » no karazany faharoa. Miparitaka amin’ny faritra maro eo amin’ny vatana ireo tasy ary mety mihitatra hatrany.

Inona no antony mahatonga ny hazampotsy ?

Mbola tsy voafaritra mazava hatreto ny antony manokana mety mahatonga ny hazampotsy na « vitelego ». Voalazan’ireo mpikaroka vahiny moa fa ny fototarazo (facteurs génétiques) no isan’ireo anton-javatra mampihombo ity karazana aretin-koditra ity.
Antony iray mety mahatonga azy ihany koa ny tsy fahatomombanan’ny hery fiarovana miandraikitra ny fiarovana ny « mélanocytes ». Mety mampitombo ny risika hahavoa ny hazampotsy ihany koa ny fisian’ny aretina toy ny diabeta, « affections de la thyroïde », « polyarthrite rhumatoïde » …

Inona no fandraisan-tanana an’ireo olona misy hazampotsy ?

Araka ny voalaza teo aloha dia mbola tsy azo sitranina ny hazampotsy na « vitiligo ». Ny azo atao dia ny manaraka ireo fitsaboana manampy amin’ny fampitoniana ireo tasy amin’ny hoditra sy ny fampihenana ny fiombon’izany. Mila manantona mpitsabo manokana ny hoditra (dermatologue) malaky ny marary vao manomboka mipoitra ny hazampotsy. Mora kokoa ny mampiato ny fiparitahan’ireo tasy rehefa hita mialoha ny aretina.

Lire la suite

Articles Similaires