• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marie Claire
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Entrée chaude » : Fomba tsotra hanamboarana « crêpe salée »

28/12/2023 10:44 © Moov.Mg

Nahandro iray afaka atao « entrée chaude » na fanokafam-bavony mafana ny « crêpe salée ». Anisan’ireo « entrées » mora atao sady tsy mila akora lafo vidy be loatra izy ity. Azo aroso tsara amin’ny fetin’ny taom-baovao. Araho eto ary ny fikarakarana izany.

Ireo akora ilaina raha hanao « crêpe salée »

Ho an’ny « pâte à crêpe »
-Lafarina 250 g ;
-Ronono 0,5l (tapany) ;
-Atody 3 ;
-Sira ;
-Menaka 1 sotro fihinanana.
Ho an’ny « sauce »
-Dibera 50g ;
-Lafarina 3 sotro lehibe ;
-Ronono 0,5l (tapany) ;
-« Crème fraîche » 50 ml (tapaky ny kaopy kely) ;
-Fromazy voakiky 150 g.
Ho an’ny fangaro atao anatin’ny « crêpe salée »
-« Mortadelle » na « lardons fumés » 250 g ;
-« Champignons noirs ».

Ny fomba fikarakarana ny nahandro

Fanaovana ny « pâte à crêpe »

Atao anaty lovia jobo lehibe ny lafarina dia asiana lavaka eo afovoany. Arotsaka ao ny atody sy ny sira. Kapohana moramora amin’ny « fouet » ny fangaro ary araraka tsikelikely ny ronono. Tandremana tsy loarana ny lafarina ivelany fa avela hiraraka ho azy manjary mitambaingana. Mifangaro tsara ny paty rehefa voararaka ao avokoa ny ronono.
Miroso amin’ny fanendasana ny « crêpe ». Atao ambony afo malefaka ny lapoaly. Hosorana menaka kely. Rehefa mafana tsara dia araraka ny paty iray sotrobe (louche). Bataina ny lapoaly dia atao miraraka manodidina sy manarona ny faritry ny lapoaly mba hiparitaka tsara ny paty. Avela ho mendy 1 minitra, avadika 20 segondra dia bataina. Atao toy izay mandrapahalanin'ny paty.

Fanaovana ny « sauce »

Ataingina eo ambony afo malefaka ny lapoaly na vilany kely. Atsonika ao anatin’izany ny dibera. Rehefa levona tsara dia araraka ao ny lafarina ary aroharoina tsy mijanona. Esorina vetivety ambony afo dia aroharoina hifangaro tsara. Arotsaka ny ronono tapaky ny kaopy dia haroharoina indray hifangaro tsara.
Rehefa mifangaro tsara tsy misy mitambaingana intsony vao ampiana ronono tapaky ny kaopy indray. Averina ataingina ambony afo malefaka ary aroharoina tsy mijanona mandrapateviny sy mampangotraka azy. Asiana sira sy dipoavatra. Arotsaka ny « crème fraîche » sy ny fromazy voakiky. Azo asiana tongolo maitso voatetika madinika raha tiana.

Fanaovana ny fangaro (garnitures)

Tetehina araka izay itiavana azy ny « mortadelle » na ny « lardons fumés ». Alona kely anaty rano ny « champignons noirs ». Rehefa malemy dia tetehana manify. Azo ampiana legioma kely toy ny karaoty voatetika sy efa nendasina ihany koa ny fangaro.

Famaranana ny nahandro

Velarina ny paty ny « crêpe » ary atao eo amboniny ny fangaro (garnitures). Tsara raha ampiana fromazy voakiky raha misy ambiny. Akatona ny paty ary atao eo ambony lovia. Rarahana « sauce » sy fromazy voatetika eo amboniny. Azo ampiana zava-maitso voatetika madinika toy ny kotomila na persily ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires