• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Des Basques
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « terrine de poulet » tena matsiro

23/12/2023 15:16 © Moov.Mg

Amin’izao ankatoky ny fety izao dia maro ireo sahirana mitady ny nahandro ho karakaraina. Tsara ny miala amin’ny mahazatra ka manandrana sakafo tsotra nefa matsiro ankafizin’ny lehibe sy ny kely. Ny fomba fanamboarana « terrine de poulet » indray ary no atoro eto.

Ny zavatra ilaina raha anao « terrine de poulet »

-Nofon’akoho (azo atao nofona vorontsiloza) 4OOg ;
-Tapotsin’atody 3 ;
-Karaoty 3 ;
-« Haricots verts » 1OOg ;
-« Crème liquide » 3 sotrokely ;
-Sira ;
-Dipoavatra ;
-Tongolo gasy (hasiny 1 lehibe) ;
-Tongolo 1.

Fomba fikarakarana ny nahandro

Sasana dia tetehina madinika ny nofona akoho. Atao anaty « mixeur » miaraka amin’ny « crème liquide » sy ny tapotsin’atody ary miara-potehina tsara ao.
Voasana ny karaoty, tangosana ny « haricots verts ». Sasana tsara avy eo tetehina majinika (en dé) daholo.
Endasina amin’ny menaka 1 sotrokely ny tongolo voatetika sy ny tongolo gasy voakiky. Arotsaka ao ny karaoty sy ny « haricots verts » notetehina teo ary asiana sira. Avela hiketrika eo, tsy asiana rano, mandritra ny 5 minitra eo ho eo ka rehefa mendy dia esorina ambony afo.
Avela somary hangatsiaka ny legioma. Araraka ao avy eo ny nofon’akoho nopotehina. Afangaro tsara amin’ny sotro hazo na amin’ny tanana ny fangaro.
Osorana dibera ny « moule » ary arotsaka ao ny fangaro. Afanaina 200°C ny lafaoro. Andrahoina atao « bain-marie » mandritra ny 40 minitra ao anaty lafaoro ny « terrine de poulet ». Afaka mampiasa vilany ihany koa anaovana ilay « bain-marie » raha toa ka tsy misy na tsy afaka mampiasa lafaoro.
Somary tsindromina amin'ny lohan’antsy ny « terrine » ka rehefa tsisy manaraka intsony dia masaka tsara izy zay.

Lire la suite

Articles Similaires