• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « mortadelle » ao an-trano

22/12/2023 09:40 © Moov.Mg

Sakafo iray fampiasa matetika amin’ireo karazana nahandro aroso rehefa fety ny « mortadelle ». Efa maro moa ny mpamokatra azy ireny eto amintsika. Ho an’ireo maniry hanamboatra « mortadelle » ao an-trano nefa dia atoro eto ny fomba fanaovana azy ireny.

Ireo zavatra ilaina

-Toton-kena (omby na kisoa) 500 g na nofon’akoho 500 g ;
-Atody 5 ;
-Sakamalaho ;
-Tongolo gasy voany 6 ;
-Fromazy malemy singany telo ;
-« Thym » ;
-Dipoavatra voany;
-Vovondronono 2 sotro fihinanana ;
-Sira ;
-Menaka 1 kaopy ;
-Vinaigitra 2 sotro fihinanana.

Fomba fikarakarana azy

Arotsaka ao anaty « mixeur » ireo akora rehetra ireo. Tsara raha zaraina roa, izany hoe potehina aloha ny antsasany voalohany avy eo atao ny antsasany faharoa mba ho potika tsara ny fangaro. Rehefa manapotsitra azy amin’ny « mixeur » dia tsy alefa mitohy elabe fa atao mihato matetika mba tsy hi-« chauffe » ilay « mixeur ». Ny ampahan’ny dipoavatra no alefa totoina miaraka amin’ny akora rehetra, ny ambiny alefa ao anatin’ny fangaro amin’ny farany. Rehefa potika tsara ny fangaro rehetra dia arotsaka anaty lovia jobo lehibe ary alefa sy afangaro ao ny ambin’ny dipoavatra voany.
Miditra amin’ny famonosana ny fangaro. Maka « boyaux mortadelle » (famonosana azy) ary fatorana tsara ny vodiny. Asesika ao anatin’izany ilay fangaro efa potika tsara teo. Fatorana ny lohany rehefa vita sesika mifatratra tsara. Manaraka izany dia fonosina amin'ny « papier aluminium ».
Miroso amin’ny fandrahoana ny « mortadelle ». Mampangotraka rano anaty vilany lehibe antonona ny « mortadelle ». Rehefa mangotraka ny rano dia arotsaka ao ny « mortadelle » efa voafono tsara. Andrahoina mandritra ny 45 minitra hatramin’ny 60 minitra eo ambony fatana. Rehefa masaka dia esorina tao anaty vilany ary avela hangatsiaka. Azo ampiasaina avy hatrany rehefa mangatsiaka. Tehirizina anaty vata fampangatsiahana.

Lire la suite

Articles Similaires