• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Zeste
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « tarte au chocolat »

19/12/2023 15:16 © Moov.Mg

Mbola ao anatin’ny fikarakarana ny fetin’ny krismasy hatrany isika izao. Anisan’ny tsindrin-tsakafo azo aroso ho an’ny fianakaviana ny « tarte au chocolat ». Araho eto ary ny fomba tsotra hanaovana « tarte au chocolat » ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina amin’ny fanaovana « tarte au chocolat »

Ny ilaina amin’ny « fond de tarte » (tokony mahavita 2 lehibe)
-Lafarina 500 g ;
-Menaka 150ml ;
-Atody 2 ;
-Ronono 300 ml ;
-Sira.
Ny ilaina amin’ny « garniture chocolat »
-« Poudre de cacao noir » 100 g ;
-Ronono 0,5 l ;
-Atody 3 ;
-Lafarina 3 sotro fihinanana ;
-Siramamy.

Fomba fikarakarana azy

Ny fanaovana ny « fond de tarte »

Afangaro anaty « saladier » ny lafarina, ny sira sy ny atody. Afangaro tsara ary alefa ny antsasaky ny ronono.
Rehefa mamasipasika ka mifangaro tsara dia mety. Tsara raha ny tanana no ampiasaina mba hatsapana tsara ny halefaky ny paty na ny hamafiny. Afaka ampiana ronono raha miparitaka loatra ka tsy mitambatra.
Atambatra ho lasa boule. Tandremana mba tsy hiraikidraikitra be loatra.
Rehefa vita dia zaraina 4 ny paty. Fisahana amin'ny « rouleau à pâtisserie » dia atao anaty « moule » mihosotra dibera na menaka ny roa voalohany.

Ny fanaovana ny « garniture chocolat »

Ampangotrahana ny ronono. Kapohana ny siramamy sy tamenak'atody.
Rehefa levona ny siramamy ka lasa fotsy tsara dia alefa ny lafarina dia tohizana kapohana.
Asiana ronono kely ilay vovoka « cacao » dia afangaro ho lasa paty. Arotsaka ao amin'ny atody avy eo. Haroharoina tsara.
Rehefa mifangaro dia asiana ronono mamay. Afangaro tsara. Dia alefa tsikelikely ny ronono.
Rehefa mitambatra tsara dia averina ambony fatana. Haroharoina tsy mijanona mba tsy hiraikitra ny any ambany. Rehefa marihitra tsara sy mangotraka dia esorina ambony afo.
Alefa ao anaty « moule » misy paty ny « garniture ». Saromana ilay paty faharoa. Hidiana tsara ny sisiny sao mihoatra avy eo. Hosorana tamenakatody sy ronono kely ny paty nanaromana azy.
Andrahoina anaty lafaoro mandrapà « doré » ny tampony sy ny sisiny tokony eo amin’ny 15 hatramin’ny 20 minitra eo ho eo.

Lire la suite

Articles Similaires