• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Heaclub
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo rehetra tsara fantatra mikasika ny « kyste ovarien »

19/12/2023 10:19 © Moov.Mg

Maro ny vehivavy misy « kyste ovarien » na « kyste de l’ovaire ». Na efa faheno matetika azy ity farany dia mbola maro ny tsy mahafantatra ny mikasika azy. Fa inona tokoa ny atao hoe « kyste ovarien » ? Inona no mahatonga izany ? Ahoana ny fomba fisehony sy ny mety ho fiantraikany ? Ary inona ny fitsaboana azo atao ?

Inona no atao hoe « kyste ovarien » na « kyste de l’ovaire » ?

Ny « kyste ovarien » dia lasaka (sac) feno rano izay miforona ao anaty na eo amin'ny « ovaire ». Ny « ovaire » dia ilay taova mpamokatra atody ao amin’ny vatan’ny vehivavy, eo akaikin’ny tranon-jaza. Isam-bolana dia tokony mamokatra atody (ovule) ny « ovaire ». Misy fotoana anefa tsy tafavoaka io atody io ka mijanona anaty « ovaire » izy sy ny fonosany (follicule). Raha mijanona ao anaty « ovaire » io atody sy io fonosany io, dia ao izy no mitombo. Rehefa mitonbo ilay « follicule » dia lasa feno rano ka mahatonga ny atao hoe « kyste fonctionnel ».
Marihana fa misy karazany roa ny « kyste fonctionnel » dia ny :
-Ny « kyste folliculaire » izay miforona rehefa mbola ao anatin'ilay fonosany (follicule) ny atody.
-Ny « kyste du corps jaune » raha toa ka efa nivoaka ny « follicule » ny atody. Iny fonon'ilay atody iny, rehefa nivoaka tao ny atody, dia antsoina indray hoe "corps jaune". Mety mampandeha rà io « kyste du corps jaune » io, na mety mampibontsina ny « ovaire », na mety ho vaky. Raha vaky izy io dia miparitaka ao anaty kibo ny rano tao anatiny ka miteraka fanaintainana be.
Levona ho azy ny « kyste fonctionnel » afaka andro na herinandro vitsivitsy.
Misy ihany koa ny « kyste » izay tsy vokatry ny fiasan’ny « ovaire » izay antsoina hoe « kyste organique ». Tsy mety levona ho azy toy ny « kyste fonctionnel » izy io.

Ahoana ny fomba ahafantarana ny « kyste ovarien » ?

Tsy misy soritraretina na fambara ny ankabeazan’ny « kystes ovariens ». Matetika dia eo am-panaovana « échographie » vao fantatra hoe misy azy. Mety hisy izany ny bevohoka nefa tsy nahalala akory ny fisiany. Raha tsy ngeza (latsaky ny 6sm ny habeany) ilay « kyste » dia tsy tokony hanelingelina ny fitondrana vohoka.
Rehefa misy soritraretina ny « kystes ovariens » dia toy izao ny fambara mety hitranga :
-Manaintaina be ny faritry ny valahana ilany na izy roa ;
-Mahatsapa toy ny marary, mavesatra sy manelingelina eo ambanin’ny kibo sy amin’ny faritry ny fivaviana, indrindra rehefa avy mivalan-drano ;
-Mikorontana ny fadim-bolana satria mamokatra tsiry mpanentana (hormones) ilay « kyste » ;
-Mety handeha be ny rà mandritra ny fadimbolana ;
-Miovana ny tsiranoka (pertes) mivoaka ;
-Marary rehefa miray ara-nofo.
-Mety ny sasany amin’ireo fambara ireo ihany ny miseho na koa maro amin’izy ireo arakaraky ny toe-batan’ilay vehivavy.

Inona no fanafody mandevona ny kyste ovarien ?

Raha latsaky ny 5sm ny habean'ny « kyste ovarien » dia levona ho azy izy. Arahina maso amin'ny « échographie » ny fitombony na ny fihenany.
-Raha toa ka lehibe miohatra ny 5sm ny « kyste ovarien » sady tsy mety levona dia mety ilaina ny manala azy amin’ny alalan’ny « cystectomie ». Ny « kyste organique » moa no mila atao izay.
-Raha toa ka tsy afaka esorina mitokana ilay « kyste » fa mitambatra be amin’ilay « ovaire » dia tsy maintsy esorina miaraka aminy ny « ovaire » ka izay no atao hoe « ovariectomie ».
-Raha misy homamiadana ilay « kyste » dia mila esorina miaraka amin’ny « ovaire » nisy azy, ary ny fantson'ny tranon-jaza (trompe) mampifandray azy amin'ny tranon-jaza.

Inona ny mety ho fiantraikan’ny « kyste ovarien » ?

Mety misy fiantraikany maro eo amin’ny vatan’ny vehivavy ny fisian’ny « kyste ovarien » raha tsy levona ho azy.
-Rehefa ngeza loatra ny « kyste ovarien » dia mety hampiolana ny « ovaire » na ilay atao hoe « torsion de l'ovaire » na « torsion d'annexe ». Miteraka fanaintainana mafy izy io.
-Mety hiangona ao anaty kibo ny rano tao anatin'ny « kyste ».
-Mety hiangona any amin'ny havokavoka (poumons) ihany koa ho an'ny vehivavy misy « fibromes » na tratran'ny homamiadan'ny « ovaire » ka izay no atao hoe (épanchement pleural). Io rano ao amin'ny kibo io dia mampavesatra sy mampihenjana ny kibo.
-Rehefa niala ny « ovaire » iray, dia mihena ny herijika (chances) hahazoana zaza. Raha ny « ovaires » roa no nesorina dia tsy misy mamokatra atody intsony ary tsy afaka miteraka ara-boajanahary intsony ilay vehivavy. Azony atao kosa nefa ny manao « Fécondation In Vitro » (FIV) raha maniry ny hiteraka.

Lire la suite

Articles Similaires