• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Public
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra hanamboarana « bûche glacée aux trois parfums »

18/12/2023 09:07 © Moov.Mg

Anisan’ny sakafo aroso rehefa krismasy ny « bûche de Noël ». Malaza tao anatin’ny taona maro lasa izay ny « bûche de Noël glacée ». Mbola lafo tokoa izy ireny raha vidiana amin’ny mpanao mofomamy, satria mahatratra hatrany amin'ny 85 000 ariary ny ho an'olona 6.

Ho an’ireo te hitsitsy nefa te hihinana "bûche" tsarabe, atoro eto ny fomba tsotra fanaovana « bûche de Noël glacée aux trois parfums».

Zavatra ilaina :

-« Crème liquide neutre » 600 ml ;
-Ronono mandry mamy 600ml ;
-Rano 100 ml ;
-Frezy 350g ;
-Sôkôla 200 g ;
-« Essence de vanille » na « Parfum vanille » 1 sotrokely.


Copyright Image : © Francefr

Fomba fikarakarana azy

Atao anaty « bol » mangatsiaka tsara ny « crème liquide » sy ny ronono mandry dia kapohina amin’ny « batteuse » na amin’ny « fouet » mba hiakatra tsara. Rehefa vita izay dia zaraina telo mitovy tsara anaty « bol » samihafa izy ireo.
Ny fangaro voalohany asiana ilay « essence de vanille » na « parfum vanille » dia aroharoina tsara. Rehefa mifangaro tsara dia araraka anaty « moule à bûche ». Tsara kokoa raha « moule en silicone » no ampiasaina mba ho mora havoaka (démouler). Avela hijanona ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 2 ora.
Andrahoina amin’ny rano ny frezy voadio sy voatetika. Rehefa masaka tsara dia atao potehina amin’ny « mixeur » na potserina atao malemy amin’ny sotro rovitra. Avela mangatsitsiaka kely dia araraka ao anatin’ny fangaro « crème » faharoa. Afangaro tsara dia araraka eo ambonin’ilay « glace » misy « vanille » teo aloha. Avela mipetraka 2 ora anaty vata fampangatsiahana indray.
Atsonika ny sôkôla dia afangaro amin’ilay « crème » farany. Rehefa mifangaro tsara dia araraka eo ambonin’ilay fangaro nisy frezy indray. Alefa anaty vata fampangatsiahana mandritra ny alina amin’izay.
Azo atao tsara ny manisy "couverture" miavaka na ilay haingo manarona azy izay tiana. Maro ohatra ireo te hampitovy ny "Bûche" amin'ny "tronc d'arbre" na amin'ny "sapin". Azo safidiana tsara arak’izay tiana ihany koa ireo « parfums » rehetra ireo (frezy, sôkola, lavanila).


Copyright Image : © Ma Spatule

Lire la suite

Articles Similaires