• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rtbf
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fiankinan-doha amin’ny « jeux vidéo » : ahoana ny hialana amin’izany ?

18/12/2023 13:17 © Moov.Mg

Karazana lalao malaza, mampiala voly ary mahafinaritra ny « jeux vidéo ». Ho an’ny olona sasany nefa dia mety hiteraka fiankinan-doha ny fanaovana « jeux vidéo ». Toy ny fiankinan-doha rehetra dia lasa misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainana izany. Ahoana ary ny atao hialana amin’ny fiankinan-doha amin’ny « jeux vidéo » ?

Ny fisehon’ny fiankinan-doha amin’ny « jeux vidéo »

Alohan’ny iresahana ireo torohevitra hialana amin’ny fiankinan-doha amin’ny « jeux vidéo » dia tsara raha fantarina ny fisehon’izany karazana fiankinan-doha izany. Voasokajy anatin’ny atao hoe « trouble mental » na fikorontanana ara-tsaina ny fiankinan-doha amin’ny « jeux vidéo ». Izany dia miseho amin’ny alalan’ny tsy fahafahan’ilay olona mifehy tena intsony manoloana ny fitiavana manao « jeu ». Izany hoe, tsy mahita fahafinaretana amin’ny zavatra hafa na fialamboly hafa intsony fa dia miompana amin’ny fanaovaona « jeux vidéo » ny tontolom-piainany. Rehefa tafalatsaka anatin’ny fiankinan-doha amin’ny « jeux vidéo » ny olona iray dia :
-Mitombo hatrany ny fotoana laniany amin’ny filaovana, na atoandro na alina ;
-Milalao hatrany na dia efa hita aza ireo fiantraikany ratsy aterak’izany eo amin’ny fianarana, ny asa na koa ny fifandraisana amin’ny hafa ;
-Tsy mahavita mampihena ny fotoana ilalaovana na tsy tafiala mihintsy na te hijanona aza ;
-Mahatsiaro tena malahelo na mitebiteby rehefa tsy afaka milalao.
Misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainana ny fiankinan-doha amin’ny « jeux vidéo ». Mety miteraka olana eo amin’ny fianarana, ny asa, ny fifandraisana amin’ny hafa (vady, zanaka, namana, mpiara-miasa…) izany fiankinan-doha izany. Mety mitarika amin’ny aretin-tsaina ihany koa raha tsy voafehy mialoha.

Ireo torohevitra manampy amin’ny fialana amin’ny fiankinan-doha amin’ny « jeux vidéo »

Mbola tsy misy hatreto ny fitsaboana manokana ahafahana miala amin’ny fiankinan-doha amin’ny « jeux vidéo ». Misy kosa nefa ireo torohevitra azo ampiharina mba hialana amin’izany :
-Miaiky ary manaiky ny saina hoe manana olana amin’ny fiankinan-doha amin’ny « jeux vidéo ». Izany dia manampy amin’ny fitadiavana vahaolana ialana amin’izany fahazaran-dratsy niteraka fiankinan-doha izany.
-Manisy fetra ny fotoana hilalaovana. Izany hoe apetraka dienim-boalohany hoe adiny firy ny fotoana ilalaovana isan’andro na isan-kerinandro. Hajaina tsara izany fotoana izany. Mety ho sarotra amin’ny voalohany fa mila fifehezan-tena lehibe.
-Mitady fialamboly hafa. Satria manome fahafinaretana sady mahafinaritra ny manao « jeux vidéo » dia lasa mitarika fiankinan-doha. Mba hialana amin’izany dia ilaina ny mitady fialamboly hafa manome fahafinaretana sy mampiala voly ny saina, toy ny fanatanjahantena, ny famakiana boky, ny mozika…

Lire la suite

Articles Similaires