• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Parents.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

Zaza latsaky ny 6 volana : inona ny antony tsy anomezana rano azy ?

18/12/2023 10:51 © Moov.Mg

Ampahatsiahivina hatrany hoe tsy azo omena zavatra hafa ankoatra ny rononon-dreny na solon-dronono ny zaza latsaky ny 6 volana. Ankoatra izay dia tsy azo omena rano ihany koa izy ireny. Fa inona tokoa ary ny antony tsy azo anomezana rano ny zazakely latsaky ny 6 volana ?

Efa ampy ny rano entin’ny rononon-dreny na ny solon-dronono

Ny rononon-dreny no sakafo lafatra indrindra ho an’ny zaza hatramin’ny faha enim-bolany. Ny 80% hatramin’ny 90% mandrafitra ny rononon-dreny dia rano avokoa ka mahavita manala ny hetaheta ny zaza. Izany hoe rehefa minono amin’ny reniny ara-dalàna ny zaza dia tsy tokony hatsiaro hangetaheta mihintsy, eny na mafana be aza ny andro. Toy izany ihany koa ny solon-dronono raha tsy mampinono ny reny. Efa misy rano eo amin’ny 80% eo afangaro amin’ny vovoka solon-dronono omena ny zaza ka ampy manala ny hetahetany.

Tsy mitondra otraikaina ary tsy misy kaloria ilain’ny zaza ny rano

Tsy misy otrikaina ary tsy misy kaloria anatin’ny rano ka tsy mampangeza ary tsy mampitombo ny zaza. Mameno ny vavony nefa ny rano ka lasa zara raha mahasotro rononon-dreny na solon-dronono ny zaza. Ny rononon-dreny sy ny solon-dronono dia feno otrikaina mahasalama sy be kaloria mampitombo sy mampatavy ny zazakely. Raha omena rano ny zaza latsaky ny 6 volana dia lasa tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo satria mihena ny rononon-dreny na ny solon-dronono sotroiny. Raha izany no mitranga dia lasa tsy mahazo lanja ary tsy mitombo araka ny tokony ho izy ilay zaza.

Mety hamparary kibo ny zaza ny fisotroana rano mialoha ny faha 6 volany

Mbola tsy matoy ary mbola marefo ny vavony sy ny kibon’ny zaza, indrindra raha mbola latsaky ny 6 volana izy. Izany indrindra no tsy anomezana azy zavatra hafa ankoatra ny rononon-dreny na solon-dronono. Mety hamparary kibo na hitarika aretina hafa eo amin’ny zaza ny fanomezana rano azy satria mety misy mikraoba tafiditra ao aminy na dia efa nampangotrahana aza ilay rano. Vao maika hatahorana raha rano avy amin'ny lava-drano no ampiasaina. Ankoatra izay dia mampihena ny bakteria tsara ao anatin’ny tsinay ny fanomezana rano ny zaza latsaky ny enim-bolana. Rehefa tsy ampy ireo bakteria tsara ireo dia lasa malemy ny hery fiarovana any amin’ny tsinay ka ho mora marary kibo ilay zaza.

Lire la suite

Articles Similaires