• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jaimelesmots.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsembon-tongotra sady misy fofon-tongotra : inona no tokony atao ?

17/12/2023 15:19 © Moov.Mg

Maro ny olona manana olana amin’ny hatsembohan’ny tongotra izay mahatonga ity farany hamofona ratsy. Sarotra matetika ny manala izany fofon-tongotra izany, eny na dia efa midio tsara aza. Fa inona tokoa no mahatonga ny fofon-tongotra ary inona no torohevitra hisorohana izany ?

Ny antony mahatonga ny fofon-tongotra

Ny fitomboan’ny bakteria eo amin’ny tongotra tsemboka no mahatonga ny fofon-tongotra ratsy. Miaina amin’ny fihinanana ireo sela maty amin’ny hoditra ireo bakteria ireo ary mahatonga ny fofona ratsy amin’ny faritra misy hatsembohana, toy ny tongotra sy ny helika. Rehefa mirongatra betsaka amin’ny tongotra ireo bakteria ireo dia mamoaka ilay fofona ratsy. Mahazo aina ary mitombo vetivety ireo bakteria ireo rehefa mihidy sy mafana anaty kiraro ny tongotra tsemboka.
Marihana fa samy tsembon-tongotra avokoa ny olona rehetra. Misy nefa ireo karazan’olona tsembon-tongotra be kokoa ka izy ireny matetika no misy fofon-tongotra. Maro ireo anton-javatra mahatonga ny olona iray ho tsembon-tongotra be loatra, anisan’izany ny :
-Fototarazo, izany manaranaka ary nolovaina tamin’ny ray aman-dreny ilay tsembon-tongotra be loatra ;
-Rarintsaina izay mampitombo ny hatsembohana amin’ny vatana iray manontolo ;
-Hafanana izay mampiakatra ihany koa ny hatsembohana ;
-Fanaovana kiraro mihidy be ka tsy tratry ny rivotra ny tongotra ;
-Fanaovana bà kiraro « synthétique » izay mafana loatra sy mitana hamandoana.

Ireo torohevitra hampihenana ny hatsembohan’ny tongotra sy hisorohana ny fofon-tongotra

Satria ny hatsembohan’ny tongotra no antony lehibe mahatonga ny fofon-tongotra dia ilaina noho izany ny mampihena izany hatsembohana izany. Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy tsara ampiharina :
-Sasana tsara amin’ny savony malefaka ny tongotra rehefa maraina sy hariva, indrindra ny faladia sy ny elakelaky ny rantsana ;
-Rehefa mafana ny andro dia tsy manao kiraro mihidy be loatra fa avela azon’ny rivotra ny tongotra sy ny rantsan-tongotra ;
-Atao madio tsara hatrany ny kiraro sy kapa anaovana, indrindra ny anatiny ;
-Bà kiraro « coton » no anaovana ary raha azo atao dia misolo bà matetika mandritra ny tontolo andro ;
-Miezaka mampitony ny rarintsaina mba hisorohana ny fitomboan’ny hatsembohana ;
-Mampiasa vokatra miady amin’ny hatsembohan’ny tongotra. Tsara raha ireo amidy any amin’ny farmasia na any amin’ny tranombarotra lehibe no vidiana. Azo atao ihany koa ny mampiasa alamo, voasary makirana na karibonetra hiadiana amin’ny hatsembohan’ny tongotra. Misafidy iray amin’ireo akora ireo ary ahosotra amin’ny tongotra madio sy maina tsara izany.

Lire la suite

Articles Similaires