• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Masculin.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Atody : isan’ireo sakafo ilain’ny vatana

15/12/2023 14:05 © Moov.Mg

Voasokajy ho isan’ireo sakafo mitondra otrikaina maro ho an’ny vatana ny atody. Arak’izany dia maro ny vokatsoa azo amin’ny fihinanana azy. Toy ny zavatra rehetra nefa dia mety misy lafy ratsiny ihany koa izy ireny. Andeha ary ho fantarina ny vokoatsoa entin’ny fihinanana atody sy ny mety ho vokadratsin’izany.

Ireo vokatsoa azo amin’ny fihinanana atody

Mitahiry otrikaina maro toy ny vitamina B2, B12, A ary E ny atody. Ireo singa ireo dia manome hery ho an’ny vatana, manentana ny famokarany sela mena, manampy ny ankizy amin’ny fitomboany ary miaro ny maso. Ahitana mineraly maro toy ny « zinc », « fer », « phosphore » ary « iode » ihany koa ao anatin’ny atody. Ireo karazana mineraly ireo dia mampiakatra ny hery fiarovana voajanahary ao amin’ny vatana. Ankoatra izay dia manamafy ny taolana sy ny nify ary mandrisika ny famorakana tsiry mpanentana mahasalama izy ireo.

Ireo mety ho vokadratsin’ny fihinanana atody

Tsy ny olona rehetra no afaka mihinana ny atody. Misy tokoa mantsy ireo tsy mahazaka mihinana azy ireny ka mety hiteraka vokadratsy ho azy ireo izany.
Tsara ny manamarika fa voasokajy anatin’ireo sakafo « allergène » na mampisy « allergies » ny atody. Ny zaza sy ny ankizy no tena voakasik’izany amin’ny ankapobeny. Miseho amin’ny alalan’ny hidihihy sy mibontsimbontsina amin’ny hoditra moa matetika ny « allergies » amin’ny atody. Misinda ary mety ho afaka tanteraka izany « allergies » izany rehefa mihalehibe na miakatra eo amin’ny telo taona eo ilay zaza. Mety tsy ho afaka mihintsy ihany koa nefa izany « allergies » amin’ny atody izany ho an’ny olona sasany. Tsy mety ho an’ireo olona manana aretina amin’ny aty na koa amin’ny “vésicule biliaire” ihany koa ny atody. Soritra hamantarana ireo aretina ireo ny maso sy ny hoditra lasa mavo.

Ahoana ny fomba fihinanana atody mba hisitrahana ireo vokatsoa entiny

Mety avokoa ny fomba hihinanana atody, na manta na mantamanta na masaka tsara. Na izany aza, ho an’ireo olona zatra mikotrana na mampiasa vatana, dia tsara raha atao mantamanta iny tamenany iny. Ny maraina sy atoandro ihany no tena tsara hihinanana azy ary tokony hisotro rano be rehefa mihinana atody. Tsy tokony hihoatra ny in-3 ao anatin’ny herinandro ny fihinanana azy ireny, ho an’ny olona iray. Sakafo sarotra levonina ho an’ny vavony ny atody ary mety hanimba ny aty raha toa ka hoanina be loatra.

Lire la suite

Articles Similaires