• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Galbani
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « spaghetti carbonara »

01/12/2023 13:35 © Moov.Mg

Nahandro iray mafilotra nefa mora karakaraina tokoa ny « spaghetti carbonara ». Efa ela moa izy ireny no nalaza teto amintsika nefa mbola maro ihany koa ny tsy mahay ny fomba fanaovana azy ao an-trano. Atoro eto ary ny fomba tsotra fikarakarana « spaghetti carbonara ».

Ireo zavatra ilaina raha hanao « spaghetti carbonara »

-Spaghetti 500g ;
-Fromazy voakiky 300g na izay fatrany hitiavana azy ;
-« Crème fraîche » 100g ;
-« Lardons » 100g ;
-Atody 4 ;
-Sira ;
-Dipoavatra.

Ireo dingana arahina amin’ny fikarakarana

Andrahoina ao anaty rano mangotraka nasiana sira sy menaka kely 1 sotrokely ny « spaghetti ». Tokony ho masaka ao anatin’ny 8 minitra eo ho eo, izany hoe tsy atao malemy loatra nefa tsy mafy be ihany koa. Rehefa vita dia atsika anaty « passoire ».
Endasina anaty lapoaly ny lardons efa voatetika. Rehefa mendimendy dia arotsaka ao ny « crème fraîche » ary avela hiketrika kely eo mandritra ny 10 minitra eo ho eo.
Atao anaty vilany ny paty ary arotsaka ao ny saosy nisy ny « lardons ». Kapohana ny atody ary alefa ao anatin’ny fangaro. Asiana sira sy dipoavatra. Raha mbola mamay tsara iny ny fangaro dia arotsaka ny fromazy voakiky. Raha tiana dia afaka asiana zava maitso kely izay tiana toy ny « céleri », « persil »…

Lire la suite

Articles Similaires