• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Régilait
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « milk shake à la fraise » matsiro

30/11/2023 16:35 © Moov.Mg

Zava-pisotro matsiro fa indrindra mangatsitsiaka ilaina be amin’izao vaninandro mafana izao ny « milk shake ». Ho an’ireo maniry hanamboatra azy ireny ao an-trano dia atoro eto ny fomba tsotra hikarakarana izany. Mitovy avokoa moa ny fanaovana azy ireny fa ny « milk shake à la fraise » no ho karakaraina eto.

Ireo akora ilaina raha hanao « milk shake »

-Frezy mamy tsara sy lehibe 24 ;
-Ronono masaka sy efa mangatsiaka 50 cl ;
-« Glaçons » 10 ;
-Siramamy 20 g na arakaraky ny hamamin’ny frezy ;

Fomba fikarakarana azy

Sasana atao madio tsara ny frezy ary esorina ny vodiny. Zaraina 2 ireo frezy 20 ary avela amin’ny toerana iray aloha ireo 4 ambiny.
Arotsaka ao anaty « mixeur » na ao anaty « blender » ny ronono, ny « glaçons », ireo frezy voatetika ary ny siramamy raha nampiasa.
Potehina miaraka ao avokoa ireo akora rehetra mandrapahazoana fangaro somary marihitra sy mifangaro tsara. Tsy tokony hisy mitambaingana intsony na ny frezy na ny « glaçons ».
Alaina ireo frezy 4 ambiny teo aloha ho ampiasaina atao haingon’ny « milk shake » rehefa hisotro azy. Tetehina araka izay paoziny tiana izany izy ireo. Araraka ao anaty vera amin’izay ny « milk shake » ary apetraka eo amboniny ireo frezy haingony.

Lire la suite

Articles Similaires