• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Recettes De Virginie
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana sy fandrahoana ati-kena

29/11/2023 15:41 © Moov.Mg

Anisan’ny nahandro mafilotra, mora karakaraina ary indrindra mora masaka ny ati-kena. Tsy mifanalavitra loatra ny vidin’ny hena ny vidin’izy ireny ka tsy mahagaga raha toa ka isan’ireo laoka matetika fahita ao an-tokantrano. Araho ary ny fomba fikarakarana sy fandrahoana ati-kena matsiro sy malemy tsara.

Ireo akora ilaina

-Ati-kena izay fatra ilaina ;
-Sira ;
-Dipoavatra ;
-Tongolo gasy ;
-Menaka hanendasana azy.

Fomba fikarakarana ny nahandro

Sasana tsara ny ati-kena ary tetehina fisaka. Esorina ilay hoditra manify aminy satria mahamafy azy rehefa andrahoina.
Ataingina ambony afo ny vilany dia rarahana menaka hanendasana. Rehefa mafana ny menaka dia arotsaka ny ati-kena, avela ho mendimendy eo mandritra ny 5 minitra eo ho eo. Tsy atao mamay loatra ny menaka fa manjary lasa may ilay ati-kena.
Rehefa hita fa masaka sy mendimendy dia avadika indray. Totoina ny tongolo gasy ary arotsaka ao anatin’ny nahandro miaraka amin’ny sira sy ny dipoavatra sahaza azy. Avela hiketrika kely roa minitra dia bataina. Tsy ajanona ela be ambony afo ny ati-kena fa manjary lasa mafy.
Raha tiana atao ati-kena « sauce » moa ilay laoka dia asiana voatabia sy tongolo voatetika madinika rehefa mandrotsaka ilay tongolo gasy. Afangaro tsara ary efa hita fa potika tsara daholo ny « sauce » dia vita zay. Averina indray, tsy avela miketrika ela loatra ny ati-kena ary tsy azo asiana rano fa mahamafy azy izany.

Lire la suite

Articles Similaires