• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Supersmart.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo tsara fantatra mikasika ny « régime kéto » na « régime cétogène»

28/11/2023 09:15 © Moov.Mg

Maro moa ireo anton-javatra mandrisika ny olona hisafidy fomba fisakafoanana iray, toy ny antony ara-pahasalamana, ny firehan-kevitra… Anisan’ny fomba fisakafoanana be mpampiatra ankehitriny ny « régime kéto » na « régime cétogène ». Fa inona tokoa ny « régime kéto » sy ny vokatsoa azo avy amin’izany ? Ahoana ny fomba fampiharana azy ?

Inona no atao hoe « régime kéto » ?

Ny « régime kéto », antsoina ihany koa hoe « régime cétogène » dia fomba fisakafoanana (régime alimentaire) mifantoka betsaka amin’ny fihinana sakafo matavy (graisses), sakafo betsaka « protéines » amin’ny antonony ary sakafo be « glucides » farak’izay kely. Tamin’ny voalohany dia natao hitsaboana ny ankizy manao « épilepsie » no namoronana ity fomba fisakafoanana ity. Tsikaritra nefa taty aoriana fa maro ireo vokatsoa ho an’ny vatana sy ny fahasalamana azo avy aminy ka maro no mampihatra azy ankehitriny.

Ahoana ny fomba fiasan’ny « régime cétogène » na « régime kéto » ?

Rehefa mihinana siramamy sy ireo sakafo manankarena « glucides » ny vatana dia mamadika ny atao ho « glucose » ho mpamokatra angovo ao aminy. Rehefa kely ny siramamy sy ny « glucides » tafiditra ao amin’ny vatana dia lasa ny tahirin’ny tavy no ampiasainy hamokatra angovo ka izay no atao hoe « cétose ».
Mandritra ny « cétose » dia mamokatra « cétones » ny vatana. Ity farany dia molekiola afaka ampiasain’ny atidoha sy ny hozatra hahazoana angovo. Mitondra vokatsoa ho an’ny fahasalamana ihany koa ny « cétones », toy ny fanatsarana ny tahan’ny « insuline ».

Inona avy ireo mety ho vokatsoa azo avy amin’ny « régime kéto » ?

Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny fampiharana ny « régime kéto » amin’ny fiainana andavanandro. Anisan’izany ny :
-Fandrisihana ny fampihenana vatana ;
-Fanatsarana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalan-drà ;
-Fampihenana ny tahan’ny « cholestérol » ratsy ;
-Fanampiana amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny olona misy diabeta 2.

Ireo mety ho vokadratsin’ny fanaovana « régime cétogène »

Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny « régime cétogène ». Misy ihany koa nefa etsy andaniny ireo mety ho vokadratsin’ny fampiharana izany :
-Tsy fahampiana rano eo amin’ny vatana (déshydratation) raha tsy misotro rano betsaka isan’andro ;
-Fitohanana (constipation) raha tsy mihinana sakafo be « fibres » ;
-Aretin’ny voa noho izy mety mitarika fiakaran’ny famokarana « acide urique ».

Ireo karazana sakafo tsara hoanina raha manao « régime cétogène »

-Ny legioma maitso rehetra ;
-Ny hen’omby ;
-Ny henan-kisoa ;
-Ny atody ;
-Ny trondro sy hazan-drano rehetra ;
-Ny akoho gasy ;
-Ny soja sy ny vokatra voahodina avy aminy ;
-Ny fromazy, indrindra ny fromazy mafy ;
-Ny « yaourt maison » ;
-Ny zavokà, ny frezy, ny voarohy, ny « pamplemousse »

Ireo sakafo tsy mifanaraka amin’ny « régime kéto »

-Ny siramamy sy ny vatomamy ;
-Zava-pisotro misy « gaz » sy ny toaka ;
-Ny vary fotsy
-Ny paty isakarazany ;
-Ny voamaina ;
-Ireo karazana mofo vita amin’ny koba vary ;
-Ny legioma maniry ambany tany ( ovy, karaoty, betiravy masaka...)
-Ny voankazo be siramamy.

Lire la suite

Articles Similaires