• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Cuisine De Fabrice
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « confiture » mananasy

28/11/2023 16:06 © Moov.Mg

Sakafo isan’ireo be mpankafy tokoa ny « confiture ». Azo ampiasaina amin’ny sakafo maraina na atao « goûter » an’ny ankizy. Vokatra izao ny mananasy ka ho an’ireo liana te hanamboatra « confiture » mananasy ao an-trano dia indro atoro eto ny fomba fanaovana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra « confiture » mananasy

-Mananasy 1kg ;
-Siramamy 450g (atao 500g raha toa ka somary marikivy ilay mananasy) ;
-Voasary makirana 1 ;
-Lavanila tahony 1 (afaka tsy asiana) ;
-« Bocal » madio tsara hiterizana azy.

Fomba fikarakarana

Sasana tsara miaraka amin’ny hodiny ny mananasy izay vao voasana. Esorina ny tahoy ary esorina tsara ihany koa ilay tsilotsilo tamin’ny hodiny iny rehefa avy novoasana. Tetehina madinika ilay mananasy ary atao anaty ny vilany andrahoana azy. Arotsaka ao ny siramamy ary aroharoina moramora mandrapa levony tanteraka.
Ataingina eo ambony afo antonony, tsy mamay nefa tsy malefaka ihany koa. Aroharoina tsy mijanona mihintsy ary sotrobe hazo no ampiasaina. Rehefa mangotraka dia arotsaka ny ranona voasary makirana. Ketrehana eo ambony afo mandrapa ritra ny ranon’ilay mananasy, izany hoe rehefa tsy misy « bulles » intsony. Aroharoina matetika mba tsy ho may na ho lasa « caramélisé » ny siramamy.
Rehefa vita dia atao anaty « bocal » avy hatrany avy eo saromana. Atao mihohoka ny « bocal » mandrapangatsiaka ny « confiture » mananasy. Raha tsara voatra ny « confiture » dia tokony haharitra roa volana farafahakeliny. Tehirizina ao anaty vata fampangatsihana ary sotro madio hatrany no handoarana azy.

Lire la suite

Articles Similaires