• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Comptoir Des Andouillettes
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ny fomba fanamboarana « fromage de tête »

27/11/2023 10:41 © Moov.Mg

Efa mananintaniny ny faran’ny taona ary efa manomboka mamisavisa sahady ny sakafo sy ny tsakitsaky ho karakaraina amin’ny fety ny ankamaroan’ny olona. Anisan’ny nahandro matsiro sy mora karakaraina ny « fromage de tête ». Araho eto ‘nge ny fanaovana izany e !

Ireo akora ilaina raha hanao « fromage de tête »

-Antsasaka lohan-kisoa ;
-« Jambon » 500g ;
-Atody 3 ;
-« Céleri » ;
-« thym » ;
-Karaoty ;
-Tongolo 2 ;
-« rhum » 2 sotro fihinanana ;
-Sira sy dipoavatra.

Fomba fikarakarana azy

Andrahoina amin’ny rano mandifotra azy mandritra ny adiny 2 ora ao anaty vilany lehibe ny lohan-kisoa sy ny « jambon ». Arotsaka ao ny « céleri » voatetika madinika, ny « thym » ary ny karaoty voatetika manify. Tsondromina amin’ny lohan’antsy matetika ireo hena mba hijerena raha efa malemy sa mbola mafy. Tsy esorina eo ambony afo raha tsy efa malemy. Azo tapohana rano raha mitady ho ritra be loatra.
Rehefa masaka sy malemy ny hena dia esorina ny taolana ary tetehana madinika. Rehefa vita izay dia atao ao anaty vilany madio ireto farany. Avy eo arotsaka ao ny ranon’ilay hena nanamasahana azy. Mila tatavanina ilay ranony io mba ho afaka ireo fakofako tao anatiny. Atao safo-vavany ny habetsik’ilay rano nandrahoina hena io fa tsy alefa ao anatin’ny fangaro daholo.
Tetehina ny tongolo ary ampangotrahina vetivety miaraka amin’ny « rhum » ao anaty lapoaly na vilany kely mitokana. Aorian’izay dia ataingina eo ambony afo ilay hena misy rony ary arotsaka ao ny tongolo nokarakaraina teo. Asiana sira sy dipoavatra ny fangaro ary aroharoina tsara. Rehefa vita izay dia arotsaka ao anaty « moule », tsara raha « moule à cake » na « moule à gratin », mifanaraka amin’ny habetsaky ny « fromage de tête ». Avy eo alefa anaty « congélateur » mandritra ny 12 ora na mandritra ny alina tontolo.

Lire la suite

Articles Similaires