• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Youtube
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana « tacos » ao an-trano

22/11/2023 13:20 © Moov.Mg

Anisan’ny sakafo malaza ary be mpankafy, indrindra eto an-drenivohitra, ny « tacos ». Nahandro avy any ivelany moa izy ity ary misy karazany maro ny fomba fikarakarana azy. Ilay atao hoe « french tacos » moa matetika no tena fahitantsika eny amin’ireny toeram-pisakafoanana ireny. Araho eto ary ny fomba tsotra afaka hikarakarana izany ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « tacos »

Ireo ilaina amin’ny fanamboarana ny fonony
-Lafarina 200 g ;
-« Maïzena » 100 g ;
-Menaka 2 sotro fihinanana ;
-Sira ;
-Rano ;
Ireo ilaina amin’ny fanaovana ny sesika na ny « farce »
-Nofon'akoho 1/4 kg ;
-Ovy 1kg ;
-Fromazy voakiky 100g ;
-Fromazy telozoro 2 ;
-« Crème fraiche » 50 cl ;
-Tongolo 2 ;
-Sakamalaho ;
-Tongolo gasy ;
-Sira.

Fomba fikarakarana azy

Atomboka amin’ny fanamboarana ny paty na ny fonon’ny « tacos ». Afangaro miaraka ao anaty « saladier » na koveta kely ny lafarina, « maïzena », sira sy ny menaka. Arotsaka tsikelikely manarak’izay ny rano mba ahazoana paty mitambatra tsara. Volavolaina ny paty ary avela hilona mandritra ny adiny 1 ora.
Miditra amin’ny fikarakarana ny sesika. Endasina ny tongolo voatetika sy ny nofon’akoho efa voatetika. Arotsaka manarak’izay ny sakamalaho sy ny tongolo gasy voakiky. Aroharoana matetika ary esorina eo ambony afo rehefa mahazo lokom-bolamena.
Avy eo amboarina ny « sauce fromagère ». Ataingina eo ambony afo malefaka ao anaty vilany ny « crème fraîche », ny fromazy telozoro ary ny fromazy voakiky. Rehefa miempo sy mifangaro tsara dia bataina. Etsy andaniny, endasina atao « frites » ny ovy. Rehefa vita dia fihazina tsara hiala ny menaka.
Alaina ny paty rehefa vita ny adiny 1 ora. Tapatapahana ary fisahana mahazo endrika boribory. Endasina tsirairay amin’ny menaka kely dia kely ary avadibadika. Velarina ny paty ary atao eo amboniny ny sesika, ny « sauce fromagère » sy ny « frites ». Fonosina ny sesika, izany hoe toy ny avalona ny paty, dia averina ataingina kely eo ambony lapoaly tsy misy menaka mba hafana.

Lire la suite

Articles Similaires