• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mangeons Local
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikafika sy torohevitra mampalemy ny nofon-ken’omby rehefa endasina

21/11/2023 09:22 © Moov.Mg

Maro amintsika no sahirana tokoa rehefa mikarakara ny nahandro avy amin’ny hen’omby noho ity farany sarotra malemy, indrindra raha endasina. Tsy voatery ho mafy be tsy laitra tsakoina foana nefa izy ireny. Misy ireo fikafika sy torohevitra afaka ampiharina mba hamapalemy ny hen’omby rehefa endasina. Araho ange e !

Safidiana tsara ny karazana hen’omby ho endasina

Ny torohevitra voalohany ahazoana hen’omby endasina malemy tsara dia ny fisafidianana ny karazana hena hikarakarana ny nahandro. Tsy ny karazana hena rehetra amin’ny omby no tsara endasina. Misy tokoa mantsy ireo misy hozatra ka sarotra vao malemy raha tsy tenehina andrahoina elaela.
Noho izany, ny nofon-kena « filet » na ny « tranche fine » ihany no safidiana raha ho endasina ny nahandro. Misy ihany koa ny fikafika ahafantarana fa mora malemy izy ireny : terena amin’ny tanana ny nofiny ka rehefa mety milentika ny ankihibe dia malemy mety endasina tsar aizy izay.

Mampiasa akora mampalemy ny nofon-ken’omby

Maro ireo karazana akora azo ampiasaina mba hampalemy ny nokon-ken’omby rehefa endasina. Anisan’izany moa ny « attendrisseur de viande » izay vokatra hita eny amin’ireny tsena lehibe ireny. vovon-javatra araraka amin’ilay nofon-kena mampalemy azy izany.
Ho an’ireo tsy te hisahirana hividy izany moa dia afaka atao ny mampiasa papay manta. Tetehina ny papay manta ary alona miaraka amin’izany mandritra ny ora 1 ny nofon-kena efa voatetika alohan’ny hanendasana azy. Azo atao ihany koa ny mampiasa ny ravin’ny papay. Izany hoe fonosina ao anatin’ny ravin’ny papay ny nofon-kena ary avela hipetraka ao mandritra ny alina tontolo. Esorina ilay ravin’ny papay rehefa hendasina ny hena.
Fomba iray hafa afaka atao hampalemy ny nofon-ken’omby ihany koa ny fampiasana ranona mananasy. Raha hena fahefany ohatra dia asiana afangaro amin’ny ranona mananasy 3 sotro fihinanana. Avela hilona 10 minitra dia endasina. Tsy azo avela milona ela loatra satria lasa malemy be indray ilay nofon-kena ary mety ho potipotika rehefa endasina.

Kapakapaina ny nofon-kena mba halemy

Fomba iray efa fanao hatramin’izay moa ny mikapa ny nofon-ken’omby alohan’ny hanendasana azy mba halemy tsara. Izany hoe tetehana manify toy ny manao « steak » ny nofon-kena. Atao mifanohitra amin’ilay tsipika amin’ny hena ny fandidiana azy. Avy eo kapakapaina amin’ny vodin’antsy na amin’ny « marteau de cuisine » mba hivoraka sy ho mora malemy.
Tsara raha somary lomana kely atao « macération » vao endasina. Izany hoe afangaro amin’ny sakamalaho sy tongolo gasy voakiky, sira, menaka ary vinaigitra iray sotrokely. Saromana tsara ary avela hilona manditra ny ora 1 vao endasina.
Endasina amin’ny afo malefaka ny nofon-ken’omby ary menaka kely izay tokony ahamasaka azy ihany no ampiasaina fa tsy atao be loatra. Tandremana tsy avela hitera-drano rehefa endasina satria mety hahamafy azy izany.

Lire la suite

Articles Similaires