• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tourisme De L'Est
Image
Fahasalamana&Sakafo

Letchi : Voankazo mora vidy, matsiro sady mahasalama !

20/11/2023 13:23 © Moov.Mg

Voankazo tena be mpitia ny letchi. Fotoany mihitsy izao faraparan'ny volana novambra izao. Rehefa tena vokatra izy dia ahazoana 1kg na dia 500 ariary monja aza. Vaovao tsara ho an'ny rehetra : rahampitso 21 novambra ny fisokafan'ny taom-piotazana any amin'ny faritra Atsinanana.

Koa satria tsy maintsy hihinana letchi, tsara ny mahafantatra mialoha ny voka-tsoa azo avy aminy. Misy ihany koa ireo fitandremana tsara ampiharina mba tsy hahatonga aretina na fahasarotana.

Ireo tombontsoan'ny fihinanana letchi

Mahasoa tokoa ny letchi noho izy mitondra vitamine A, B, C, ary potassium, magnésium, cuivre sy fibres. Manankarena rano ihany koa izy ka manala hetaheta soa aman-tsara rehefa mafana be iny ny andro. Raha mahatsiaro reradreraka iny dia mampody aina ny letchi. Misy "glucides" io voankazo io ka mety tsara amin'ireo olona manao hypoglycémie matetika. Noho izy be "fibres", manatsara ny fiasan'ny tsinay ihany koa izy. Tsy adino ny fanampiany ny vatana tsy hiha-antitra aloha loatra, sady manafaingana ny fiforonan'ny takom-pery raha sendra maratra. Mampangirana ny hoditra io voankazo io, sady manatsara ny fiasan'ny atidoha sy ny fo. Raha mihinana letchi 100 g mantsy dia mahazo 80 hatramin'ny 95%-n'ny fatrana vitamina C ilain'ny vatan'olombelona isan'andro.
Azo ampiasaina amin'ny fanenam-batana ny letchi noho izy mitondra kaloria kely. Raha mihinana letchi 100 g dia 81 kcal ihany no azo. Misy tokoa ireo olona mihinana sakafo maivana, ka letchi no hanina avy eo hahavoky tsara.

Ireo fomba fihinanana letchi

Azo hanina amin'izao ny letchi : esorina ny hodiny ary ankafizina ny nofony. Tsara tokoa ny letchi ampiarahana amin'ireo voankazo hafa, hahazoana "salade de fruits". Raha te hiala hetaheta amin'ny andro mafana kosa dia azo anaovana "jus" izany voankazo izany. Esorina ny voany ka mampiasa mixeur avy eo, sady manampy siramamy sy voasary makirana kely. Mazava ho azy, afaka anamboarana gilasy sy mofomamy io voankazo io.
Raha naharay letchi betsaka, iray na roa garaba ohatra, azo atao tsara ny manamboatra confiture na manamaina ilay voankazo. Tsy azo adino fa misy tokoa ny mpahandro mahay mikarakara letchi masira. Avadika "sauce" ilay voankazo na atao "accompagnement" hihinanana hena na trondro.

Ireo fitandremana tsara fantatra

Voalaza teo fa manamora ny fandevonan-kanina ny letchi. Tsy midika nefa izany hoe afaka mihinana izay fatra laniny ny tsirairay. Tsara raha ferana eo ho eo amin'ny 500g raha betsaka indrindra ny letchi hanina isaky ny mihinana. Ho an'ireo efa misy olana amin'ny vavony, tsy tsara hanina ny letchi rehefa noana. Amporisihina ny tsirairay mba hihinana sakafo hafa raha hihinana letchi avy eo.
Raha hanome letchi zaza dia aleo tsoahina ny voany. Malama mantsy izany ka mety hahafaty mihitsy raha voatelina tampoka.

Lire la suite

Articles Similaires