• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « catless »

15/11/2023 16:27 © Moov.Mg

Ny fomba fanaovana « catless » indray ary no entina eto anio. Nahandro iray azo atao laoka fa akafa atao tsakitsaky ihany koa moa ny « catless ». Tsotra ny fikarakarana izany ary tsy mila akora lafo be ihany koa fa mety ho an’ny be sy ny maro. Araho ary !

Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra « catless »

-Ovy 500g ;
-Toton-kena 250g ;
-Tongolo gasy ;
-Kotomila ;
-Dipoavatra ;
-Sira ;
-Atody 2 ;
-Menaka hanendasana azy.

Fomba fikarakarana ny nahandro

Andrahoina miaraka amin’ny odiny ny ovy. Tsatohana kely amin’ny lohan’antsy ka rehefa tsy manohatra intsony dia esorina ambony afo ary avela hitsiaka. Avela hangatsitsiaka dia voasana. Atao anaty koveta kely na « saladier » dia potserina amin’ny sotrorovitra.
Arotsaka ao ny tongolo gasy voakiky, ny kotomila voatetika manify, ny toton-kena manta, ny dipoavatra ary ny sira iray tsongo. Afangaro tsara amin’ny tanana izy rehetra. Rehefa mifangaro tsara dia maka fangaro tsikelikely ary volavolaina atao boribory avy eo somary fisahana (tsy atao fisaka loatra).
Kapohana ao anaty lovia ny atody 2 ary asiana sira kely. Afanaina anaty lapoaly na anaty vilany saba ny menaka hanendasana. Rehefa mafana ny menaka dia arotsaka ao anatin’ilay lovia misy atody ny ovy voavolavola alohan’ny handrotsahana azy ao anaty lapoaly. Avadika amin’ny lafiny ilany rehefa mendy dia vita.

Lire la suite

Articles Similaires