• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Dépêche
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny « fibrome utérin »

15/11/2023 14:33 © Moov.Mg

Isan’ireo aretina mateti-pitranga amin’ny vehivavy manodidina ny 30 hatramin’ny 50 taona ny « fibrome utérin ». Mila fandraisan-tanana mialoha ity farany noho izy mety tsy ampiteraka sy mety hiteraka voka-dratsy eo amin’ny fahasalamana ka mitarika hatramin’ny fahafatesana. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo rehefa mila fantatra mikasika ny aretina « fibrome utérin ».

Inona no atao hoe « fibrome utérin » ?

Ny « fibrome utérin » dia fivontosana hozatra vokatry ny fitangoronana sela malama ao amin’ny tranon-jaza. Ny vehivavy iray dia mety misy fivontosana hozatra (fibromes) maromaro. Tsy hatahorana hivadika homamiadana kosa nefa izy ireny. Marihana moa fa misy karazany maro moa ny toerana hiforonana sy hitoeran’ny « fibrome » ao amin’ny tranon-jaza. Miendrika boribory izy ireo ary tazana amin’ny fanaovana « échographie ».
Mety ho kely varaventy ny haben’ireo fivontosana fa misy ihany koa ireo lehibe izay mahatratra hadiry mitovy amin’ny « melon ». Rehefa mihalehibe ny « fibrome » dia miteraka fihitaran’ny tranon-jaza. Raha izany no mitranga dia mihalehibe ny kibo ka lasa mitovy amin’ny olona bevohoka efa 6 na 7 volana ilay olona mitondra azy.

Inona ny antony mety mahatonga ny « fibrome utérin » ?

Tsy fantatra mazava hatreto ny antony mety mahatonga ny « fibrome utérin ». Voalazan’ireo mpikaroka fa miankina betsaka amin’ny famokarana « hormone » izay antsoina hoe « oestrogène » no antony iray mety mahatonga izany. Ny « oestrogène » dia vokarin’ny fihary atodinaina na « ovaire ».
Betsaka ny anjara asany, anisan’ireny ny fiovan’ny toe-batan’ny ankizy vavy amin’ny fotoanan’ny fialan-tsakana na « puberté » sy ny mandritra fadim-bolana. Tsy ahitana « fibrome » noho izany ny ankizivavy alohan’ny fialan-tsakana noho ny vatany mbola tsy mamokatra « oetrogène ». Mihena ihany koa ny « risque » ahitana izany amin’ny vehivavy « ménaupose » noho ny vatany tsy mamokatra izany « hormone » izany intsony.
Misy ihany koa ireo anton-javatra hafa mety mandrisika ny fiforonan’ny « fibrome utérin ». Anisan’izany ny hoe :
-Nisy fianakaviana akaiky tratry ny « fibrome » teo aloha, toy ny reny na rahavavy ;
-Tavy diso tahafoatra ;
-Fahatongavan’ny fadim-bolana alohan’ny faha 12 taona ;
-Fisotroana toaka be loatra.

Ny fomba fisehon’ny aretina

Raha misy « fibrome utérin » ny vehivavy iray dia toy izao no mety ho fitrangan’ny aretina :
-Mahatsapa fanaintainana mafy eo ambanin’ny kibo ;
-Mitombo be ny rà mandritra ny fadim-bolana ary mihitatra ny fotoana fandehanany ka mety ho lasa herin’andro maninjitra ;
-Mandeha rà tsy amin’ny fotoanan’ny fadim-bolana ;
-Mahatsapa tranga fanaintainana tsy zaka eo ampanaovana firaisana ara-nofo ;
-Nohon’ny fivontosana dia miha-tery ny tatavy ka miteraka faniriana te-hipipi lava ;
-Fahateren’ny tsinay, mety hiteraka fibotsonana, sy « hémorroïdes » ;
-Fanaintainana any amin’ny ranjo.
-Fikorontanana amin’ny fananan-janaka.
Mety hitarika fahasarotana ny « fibrome utérin » raha toa ka tsy voatsabo ara-potoana. Raha izany no mitranga dia mety :
-Tratry ny « anémie » na tsy fahampian-drà ilay marary vokatry ny rà be loatra very ;
-Ny “fibrome” ihany koa dia manana karazana tongotra kely antsoina hoe “pédicule” izay ahafahany mifindrafindra ka isan’ny miteraka fanaintainana tsy zaka ny eo ambany foitra ;
-Misy koa ny fanaintaina no ateraky ny fahatapahan’ny fikorinan’ny rà ao amin’ilay « fibrome » na ilay antsoina oe « nécrobiose du fibrome » ka ny vahaolana maika dia ny fandidiana avy hatrany ;
-Noho ny fibahanan’ny « fibrome » ny « trompes » dia tsy tonga any amin’ny « ovule » ny ranonain’ny lahy « sperme » ka tsy mety bevohoka ilay vehivavy.

Ahoana ny fomba fitsaboana ny « fibrome utérin » ?

Ny toromarika voalohany dia ny fanantonana mpitsabo raha miseho ny iray na ny maromaro amin’ireo fambara ny « fibrome utérin » ireo. Ny fandidiana ihany moa hatreto no fomba azo antoka indrindra hitsaboana ny « fibrome » amin’ny alalan’ny fanesorana azy ireny. Mety misy ny fanafody omen’ny mpitsabo mialoha ny fotoana handidiana mba hanamorana izany sy hampijanonana ny rà mandeha be loatra.

Lire la suite

Articles Similaires