• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Youtube
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « gâteau » tsy mampiasa lafaoro

14/11/2023 16:08 © Moov.Mg

Anisan’ny sakafo ankafizin’ny be sy ny maro tokoa raha ny « gâteau » na ny mofomamy. Fantatrao ve fa azo atao tsara ny manamboatra « gâteau » na mofomamy tsy mampiasa lafaoro ? Ny valiny dia ENY. Araho eto ange e !

Ireo akaora ilaina raha hanao « gâteau » tsy mampiasa lafaoro

-atody 4 ;
-lafarina 250g ;
-siramamy 250g fa afaka ahena ihany koa raha tsy tiana ho mamy be ;
-ronono tapaky ny kaopy ;
-dibera 50g ;
-lalovay simika (levure chimique) 1 sotro kely ;

Ireo fitaovana ilaina

-« Bol » lehibe ;
-« casserole » na vilany lehibe ;
-« moule ».

Fomba fikarakarana azy

Kapohana miaraka ao anaty « bol » ny atody sy ny siramamy. Arotsaka ao ny ronono sy ny lafarina ary ny « levure chimique ». Afangaro tsara.
Rehefa mifangaro tsara avokoa ny akora rehetra dia arotsaka ao anaty « moule » nosorana dibera.
Mampangotraka rano amin'ilay vilany na « casserole ». Rehefa mangotraka dia apetraka ao ilay « moule ». Tandremana tsara mba tsy ho tafiditry ny rano ao anatin’ity farany.
Ny tsara rakofana « papier aluminium » ny tampon’ilay « moule » mba hiarovana azy tsy ho tratry ny rano. Raha tsy manana « papier aluminium » dia mitady zavatra atao saron'ilay « moule ».
Avela angotraka ambonin'ny afo mandritra ny 40 minitra na mandrapa masaka azy ny fangaro dia vita ny « gâteau » ny nampiasana lafaoro !

Lire la suite

Articles Similaires