• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Toutes Recettes
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « crème de caramel au beurre salé »

13/11/2023 13:07 © Moov.Mg

Anisan’ireo sakafo azo ahosotra amin’ny mofo na afangaro amin’ny mofomamy isan-karazany ny « crème de caramel au beurre salé ». Azo amboarina tsara ao an-trano ity farany fa mila arahina tsara fotsiny ny torimarika amin’ny fomba fikarakarana izany.

Ireo akora ilaina

-Siramamy 140g ;
-« crème fraîche épaisse » 240g ;
-Dibera « demi-sel » 50g ;
-Sira 2g.

Fomba fikarakarana « crème de caramel au beurre salé »

Atao anaty vilany « casserole » ny siramamy sy ny dibera. Ataingina eo ambony afo malefaka mandrapahazoana loko « caramel » arak’izay itiavana azy. Tsy ajanona ela loatra ambony afo kosa nefa fa manjary may dia lasa mangidy.
Esorina eo ambony afo ary arotsaka ny « crème fraîche épaisse ». Rehefa levona ity farany dia averina ataingina ambony afo ary avela harihitra vao esorina indray. Aorian’izay dia endrasana matimaty ny hafanan’ny fangaro avy eo atao anaty « bocal » afaka misarona.
Endrasana hangatsiaka tsara vao saromana. Azo tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny roa herinandro. Marihina fa azo soloina « crème fraîche liquide » ilay « crème fraîche épaisse » ampiasaina eto. Tandremana kosa mba hampangotrahana aloha izany vao arotsaka ao anaty « caramel » mba tsy ampivaingana ity farany.

Lire la suite

Articles Similaires