• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © 750G
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana mofo dipaina

12/11/2023 20:03 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo efa nanana eritreritra na maniry hanamboatra mofo dipaina ao an-trano. Mety izany noho ny fitiavana manao sakafo manokana na noho ny fahitana fa efa lafo ny vidin’izy ireny ankehitriny. Araho ary ny fomba fanamboarana mofo dipaina.

Ireo akora ilaina

-Lafarina « multi usage » na « type 55 » 500g ;
-« levure boulangère » 18g ;
-Rano 275ml ;
-Sira 1 sotrokely ;
-Siramamy 1 sotrokely ;
-Menaka oliva na « huile d'olive » 2 sotro fihinanana azo soloina huile de soja rehefa tsy misy

Fomba fikarakarana azy

Afangaro anaty rano ny « levure », ny siramamy, ny sira ary ny menaka oliva. Azo soloina menaka soja raha toa ka tsy misy menaka oliva. Tatavanina amin’ny « tamis » ny lafarina, atao anaty « bol » ary asiana lava eo afovoany.
Arotsaka tsikelikely ao ny rano misy ireo fangaro nokarakaraina teo aloha. Volavolaina mandritra ny 10 hatramin’ny 15 minitra eo no eo ny paty. Rehefa mitambatra tsara dia atao lasa « boule » malama tsara. Apetraka ao anaty « bol » na koveta kely dia saromana lamba mando. Avela hilona mandritra ny adiny 1 ora.
Rehefa vita izay dia averina volavolaina mandritra ny 1 minitra mba hiala ny rivotra. Asiana « papier sulfurisé » na « papier cuisson » eo ambonin’ny « grille ». Raha toa ka tsy manana « papier cuisson » dia afaka atao taratasy tsotra fa osorana menaka ilay taratasy mba tsy hiraikitra eo ny paty.
Fisahina ny paty aveo ahodina atao lavalava dia akatona ny sisiny. Apetraka eo ambonin’ny « grille » efa misy « papier cuisson » ny paty ary tatahina amin’ny antsy ity farany mba hipasaka. Avela hipetraka kely mandritra ny 30 minitra indray mba hitombo.
Hafanaina atao 220°C ny lafaoro ho 220 °C ary asiana rano ao anatin’ny « plaque de cuisson ». Izany dia mba hampalefaka ny mofo dipaina handrahoina ao. Atsofoka ao anatin’ny lafaoro ny paty ary andrahoina ao mandritra ny 40 minitra.

Lire la suite

Articles Similaires