• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pazzox
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fantaro ny « incontinence d’effort » na ny tsy fahatazomana ny fivalanan-drano

12/11/2023 13:55 © Moov.Mg

Tranga mety hisy ny hoe lasa tsy mahatazona amany (pipi) na « incontinence d’effort » ny vehivavy avy teraka. Izany hoe mivalan-drano ho azy na tsy poritra akory aza rehefa manao zavatra mafy kely ny vatana. Inona no atao hoe « incontinence d’effort » ? Inona no mahatonga izany ary inona ny fandraisan-tanana misy ?

Inona no atao hoe « incontinence d’effort » ?

Ny « incontinence d’effort », antsoina ihany koa hoe « incontinence urinaire d’effort » dia tsy fahavitana mitazona fivalanan-drano na amany rehefa manao zavatra mafimafy kely izay mampitombo ny fihinjiran’ny kibo. Ny vehivavy avy niteraka moa matetika no tratra izany ka tsy voatanany ny fivalanan-drano rehefa mievona, mikohoka, mitsangana, mibata zavatra mavesatra… Marihina tokoa mantsy fa malemy ny rohinofon'ny hozatry ny « périnée » izay faritra anelanelan'ny fivaviana sy ny lavaky ny fitombenana. Atao hoe manao « incontinence d’effort » ny olona iray rehefa lasa mivoha ho azy ny lalan'ny amany na dia tokony hikatona aza.

Inona no antony mahatonga ny « incontinence d'effort » ?

Anisan’ny aretina mahamenatra tokoa ny « incontinence d’effort » ary mety ho tratr’izany avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy. Maro ireo antony mety mahatonga izany tsy fahatazomana fivalanan-drano izany toy ny :
-Fahasimban’ny « périnée » noho ny tsy fahaizana manena mandritra ny fiterahana na ny faharovitan’izany rehefa mivoaka ny lohan’ny zaza ;
-Hatavezana be loatra (obesité) ;
-Fitondrana vohoka ;
-Fahanterana ;
-Tsy nanao kotrana « rééducation du périnée » taorian'ny niterahana ;
-Fibatana zavatra mavesatra loatra, matetika loatra ;
-Mitohana nandritra ny fotoana maharitra : Lasa simba ny périnée amin'ilay manena lava ;
-Fifohana sigara sy fihinanana paraky.

Inona no fisorohana sy fitsaboana azo atao ?

Mba hisorohana ny « incontinence d’effort » dia mila manaraka ireny atao hoe « exercices prénatales » ireny ny vehivavy mitondra vohoka. Izany dia mba hianarana ny fomba atao rehefa manena eo am-piterahana sy mba hampalefaka ny vozon’ny tranon-jaza.
Ho an’ny lehilahy na ny vehivavy dia mila tandremana ihany ny fibatana zavatra mavesatra loatra sy matetika loatra. Tsy adinoina ny manao fanatanjahantena sy ny fihinana sakafo ara-pahasalamana hatrany. Tsaboina ny fitohanana indrindra raha miverimberina matetika.
Ny fanantonana mpitsabo no zavatra atao voalohany raha toa ka tratry ny « incontinence d’effort ». Amin’ny ankapobeny moa dia ny fanaovana kotrana mampantanjaka ny « périnée » no atoron’ny mpitsabo mba hitsaboana izany aretina izany. Misy karazany maro moa ireo kotrana ireo ary matetika dia azo atao irery ao an-trano.

Lire la suite

Articles Similaires