• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Agir Avec Madagascar
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « pâte de banane » ao an-trano

09/11/2023 14:16 © Moov.Mg

Maro ankehitriny ireo karazana « pâtes de fruits » amidy eny an-tsena eny. Samy mankafy azy ireny avokoa na ny ankizy na ny lehibe. Isan’ny « pâte de fruits » sangany ary fahita efa hatry ny ela teto Madagasikara ny « pâte de banane ». Atoro eto ary ny fanaovana izany hoan’izay maniry te hanamboatra ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « pâte de banane »

-Akondro masaka tsara 250 g ;
-Siramamy 250 g ;
-Ranona voasary makirana 1 sotro fihinanana.

Ny fomba fikarakarana

Voasana ny akondro rehetra. Potserina amin’ny sotrorovitra na potserina ao anaty « presse-purée » mba ho potsitra tanteraka. Rehefa vita izay dia lanjaina ny akondro voapotsitra tsara. Arotsaka ao anatin’izany, amin’ny lanja mitovy, ny siramamy.
Andrahoina ireo fangaro ireo ary aroharoina tsy ankijanona. Tsy atao ambony loatra ny afo ampiasaina. Rehefa hita fa mihamaina ilay « pâte » dia arotsaka ao ilay ranona voasary makirana. Aroharoina indray mandrapialan’ilay « pâte » amin’ny vilany (izany hoe tsy miraikitra amin’ny vody vilany intsony fa miala tanteraka).
Esorina eo ambony afo ary afindra ao anaty fitoerana iray arakaraky ny endrika hitiavana azy. Avela hangatsiaka ho azy. Avoaka ao anatin’ilay fitoerana ary tetehina amin’ny antsy raha ilaina izany. Rarahana siramamy ary avela hipetraka ho azon’ny rivotra mandritra ny ora iray. Aorian’izay dia afaka ampirimina anaty boaty.

Lire la suite

Articles Similaires