• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Univespara
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fampihenana vatana : torohevitra mba havitana izany hatramin’ny farany

08/11/2023 10:33 © Moov.Mg

Sarotra amin’ny olona maro ny manohy sy manaja fomba fampihenana vatana na « régime amincissant ». Firifiry ireo nijanona tao anatin’ny andro, herinandro na volana vitsy. Atoro eto ary ireo torohevitra mba havitana ny fomba fampihenana vatana hatramin’ny farany ?

Mila mametraka tanjona mazava sy azo tratrarina

Rehefa miroso amin’ny fomba fampihenana vatana dia mila mametraka tanjona mazava dieny voalohany. Tandremana kosa mba ho tanjona azo tratrarina no apetraka, toy ny hoe manala ny 5% ny lanja ao anatin’ny volana maromaro ohatra. Fadiana ny mieritreritra hoe hiena be anatin’ny fotoana fohy satria lasa miteraka fiferetan’aina sy fahakiviana ny tsy ahavitana mahatratra izany. Miainga amin’ny tanjona mora tratra avy eo ampitomboina tsikelikely izany.

Arindra mialoha ny sakafo sy ny tsakitsaky

Mila arindra mialoha ny sakafo sy ny tsakitsaky hoanina ao anatin’ny tontolo andro. Izany dia mba hisorohana ny fihinanana zavatra tsy mifanaraka amin’ny fampihenana vatana atao rehefa maika na rehefa reraka. Raha azo atao dia efa fantarina mialoha ny sakafo karakaraina mandritra ny herinandro. Ampidirina ao anatin’ny tsena ny tsakitsaky atao ody ambavafo mba tsy hividianana ninoninona intsony.

Miomana amin’ireo fakam-panahy

Mazava ho azy fa tsy maintsy misy ireo fakam-panahy maro samihafa tsy maintsy hiadiana rehefa miezaka mampihena vatana. Mila miomana mialoha amin’ny fomba hanoherana azy ireny mba tsy ho tapaka ny fomba fampihenana vatana izay atao. Raha handeha hamonjy fanasana ohatra dia mihinana voankazo sy legioma alohan’ny handeha mba ho vokivoky ka tsy hinanana zavatra be loatra intsony avy eo.

Tsy mitsahatra manao fanatanjahantena

Tsy misaraka amin’ny fomba fampihenana vatana ny fanaovana fanatanjahantena. Manampy amin’ny fandoroana ny tavy sy ny fanadiovana ny ao anaty izany. Miezaka manao fanatanjahantena na manetsiketsika ny vatana mandritra ny 30 minitra isan’andro mba handaitra ny fampihenana vatana. Rehefa zarina izany ny vatana dia mora kokoa ny manohy ny fomba fampihenana vatana.

Mila manana faharetana

Mila fotoana ny fampihenana vatana raha tiana tsy hiverina intsony ny tavy sy tsy hisy fiantraikany ratsy ho an’ny fahasalamana. Mba havitana ny fomba fampihenana vatana hatramin’ny farany dia mila manana faharetana sy mifantoka tsara amin’ny tanjona napetraka tamin’ny voalohany.

Lire la suite

Articles Similaires